La Gazette de la grande ile

Olana eto Andrenivohitra : Lalao Ravalomanana no tena fositra

Publié le 21 octobre 2020

Raha misy angamba ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ka niteraka ady hevitra sy resa-be dia ny fandravàna ireo trano fivarotana tsy ara-dalàna nihorina nandritra ny fitantanan’i Lalao Ravalomanana sy ny vadiny. Tsiahivina fa tamin’ny volana jona lasa teo no nanomboka nandrava ireo toeram-pivarotana tsy ara-dalàna teny Analakely sy Soarano ao ambadiky ny firaisana voalohany ny kaominina. Mbola niteraka resa-be koa ny mety ho fandravana ireo pavillon vaovao nahorina etsy amin’ny Esplanade Analakely. Tantatra mbola mitohy io satria efa nanome fe-potoana enim-bolana ho an’ireo mpivarotra ireo ny mpitantana ny kaominina, mialohan’ny handravana ny trano. Nampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana mahefa moa ireo mpivarotra ka andrasana ny ho tohin’ny raharaha. Ny alatsinainy teo indray dia niroso tamin’ny famefena ny toerana misy ireo “box” na trano fivarotana eo ampitan’ny vavahadin’ny tsenan’ny Pochard ny kaominina, fanapahan-kevitra izay mazava ho azy fa tsy hankasitrahan’ireo mpivarotra, ireto farany izay efa nitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ihany koa. Raha ny fanazavana nomen’ny ben’ny tanàna tao anaty tambazotran-tserasera dia efa nahazo rariny tamin’ny fitsarana ny kaominina ka manana ny rariny izy ireo raha nandray izany fanapahan-kevitra izany. Lasa miteraka ady hevitra sy resa-be eto amin’ny firenena izao fandravana fotodrafitrasa nihorina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ataon’ny mpitantana ny tanàna izao, ary tsy iza no fositra amin’izany rehetra izany fa ny mpitantana ny kaominina teo aloha, Lalao Ravalomanana sy ny vadiny. Ireto farany no fositra satria izy ireo no nanao fifanarahana tamin’ireo mpivarotra ka nanome alàlana ny fananganana ireo trano fivarotana tsy ara-dalàna ireo, tamin’ny fotoan’androny. Na hita miharihary izao aza fa toerana tokony ho an’ny mpandeha tongotra dia tsy tahotra tsy henatra ramatoa Lalao Ravalomanana nanome ny fahazoan-dàlana manorina ny trano. Lasa ny ben’ny tanàna am-perinasa izay manao ny fanadiovana sy ny fandaminana indray ankehitriny no mahazo tsiny. Mazava tsara anefa ny teny nataon’i Naina Andriantsitohaina, tamin’ny fotoana nandraisany ny fahefana fa anisan’ny laharam-pamehana ho azy ny ady amin’ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna misy eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity. Mazava ho azy fa lasa ireo mpivarotra nanao fifanarahana tamin’ny kaominina no tena voamafy, ankehitriny, noho ny adalàn’ny mpitantana teo aloha. Marihana fa mbola maromaro ireo foto-drafitrasa tsy ara-dalàna nihorina nandritra ny fitantanan’ny TIM no mbola tsy maintsy handraisana fepetra tahaka izao, ary inoana fa mbola hiteraka resa-be eto amin’ny firenena.

F.Tsihiavonana

Lire aussi