La Gazette de la grande ile

Hetsiky ny mpanohitra : Sao dia mba zavatra hafa no tena tanjona

Publié le 27 octobre 2020

Mihetsiketsika mafy ny mpanohitra ny fitondrana, ankehitriny. Manaporofo izany ny fitetezam-paritra sy ny famoriam-bahoaka ataon’izy ireo, tato ho ato. Raha nandamoka ny hetsika voalohany saika natao tany Mahajanga izay nosakanan’ny manampahefana sy ny mpitandro filaminana, dia tontosa soamatsara kosa ny famoriam-bahoaka nataon’ny depiote Fidel Razara Pierre sy ny namany tao Ambatondrazaka, ny sabotsy lasa teo. Tsy mijanona eo amin’izay fitetezam-paritra izay ihany anefa ny hetsiky ny mpanohitra fa mandeha hatramin’ny firesahana amin’ny haino aman-jery matetika na ilay antsoina amin’ny fiteny frantsay hoe “tapage médiatique”. Rehefa manao fandaharana manokana amin’ny haino aman-jery mantsy ry Fidel Razara Pierre sy ny maitre Hanitra Razafimanantsoa, tato ho ato, dia miaraka mandefa izany daholo ireo haino aman-jery mpanohitra ny fitondrana mijoro ankehitriny, tahaka izay nisy tamin’ireny krizy politika niseho teto amin’ny firenena ireny. Rehefa tena mandinika lalina ny fihetsik’ireo mpanohitra, ankehitriny, dia mipetraka ihany ny fanontaniana hoe: “tena fanoherana araka tokony ho izy ve no ataon’izy ireo sa zavatra hafa no tena tanjona?”. Resaka politika mantsy no resahana eto ary mazava ho azy fa tsy misy ny kajikajy mety tsy ho takatry ny olom-pirenena rehetra. Sao dia mba fanonganana an’i Andry Rajoelina mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2023 no tena ketrehan’ny mpanohitra ka dien’izao dia efa hampiomanina amin’izany ireo mpombam-dRavalomanana sy ireo tsy mankasitraka ny fitondrana. Amin’ny lafiny iray, tsy mahagaga raha mety manana izany tanjona izany ry Fidel Razara Pierre sy ny firongony satria fantatr’izy ireo tsara fa tsy ho mora ny handresy an’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana manaraka. Mahafantra tsara ny TIM sy ny mpanohitra fa tsy hanana ny nentimanana betsaka noho i Andry Rajoelina sy ny mpanohana azy mihitsy ingahy Ravalomanana Marc rehefa hiatrikany fifidianana, amin’ny 2023. Na aiza na aiza anefa eto ambonin’ny tany dia manan-danja lehibe ny vola amin’ny fifidianana, eny fa na any Etazonia izay voalaza fa firenena demôkratika indrindra eto an-tany aza. Fantatr’ireo mpanohitra tsara ihany koa fa ho sarotra ny handresena an’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana satria maro ny zava-bita eran’ny Nosy izay hankasitrahan’ny Malagasy maro. Ankaotra izay, mety matahotra hiatrika fifidianana filoha ihany koa ny TIM sy ireo mpanao politika mpanohitra satria tsy izy ireo no eo amin’ny fahefana ka manana tombony betsaka ny mpifanandrina aminy.

F.Tsihiavonana

Lire aussi