La Gazette de la grande ile

Papa François : Tsy hanamasina ny fanambadian’ny « homosexuel »

Publié le 27 octobre 2020

Miteraka resabe amin’ny tontolon’ny fiarahamonina ny fanambaran’i Papa François izay filohan’ny eglizy katôlika rômanina “ECAR” tamin’ny fampahalalam-baovoa tao amin’ny lapam-panjakana ao Raoma ny alarobia faha 21 oktobra 2020 lasa teo.

Nanakoako eran-tany ny fanambarana izay nalaina tao amin’ny horonan-tsary fanadihadiana mitondra ny lohan-teny hoe”Francesco”.

Taitra izao tontolo izao satria nanambara i Papa François fa tsy manakana ny fanambadiana aram-panjakana izay hataon’ireo olona mitovy fananahana izy. Nambarany koa fa tsy hanamasina ny fanambadian’ny “homosexuals” na mitovy fananahana ireto ny fiangonana.

Hevitra roa izay izay mitovitovy fa tsy sahala ireo fanambarana roa ireo. Samy nandray izany fanambarana izany araka ny fahatakarany avokoa ny rehetra ka samy nilaza ny fahitany iny raharaha iny. Taitra hatramin’ny olona tsotra sy tsy kristianina aza.

Nikorontana ny fiangonana katolika manerana ny tany. Hatramin’ny eveka sy ny kristianina dia maro no nanakiana an’i Papa. Tsy vitsy ny tsy faly ary nalahelo.

Ankilany indray dia faly ireo olona ao anatin’ity sehatra ity na teto Madagasikara sy tany ivelany ka nankasitraka tanteraka an’iny fanambarana iny na dia tsy hatao fanamasinana any ampiangonana katôlika aza. Dingana iray lehibe hoan’izy ireny ny fanambaran’i Papa François iny ka mampisy fanantenana azy ny amin’ny hoavin’ity sehatra ity any aoriana any.

Misy koa nefa ny olona izay eo ampovoany izay manana fiheverana malalaka ka tsy miraharaha izany fanambarana izany fa malalaka amin’ny tiany hataony ny olona rehetra.

Eo anatrehan’ny fanambarana toa ireny dia tsara ny hamakafakana ny teny sy ny fehezanteny ary ny andalana tsirairay mba hahazoana tsara ny tiana hahatongavana. Izany no ilazanay etoana fa tsy ny fanambadiana any ampiangonana no eken’i Papa fa ny fanambadiana any amin’ny fanjakana na sivily. Zavatra roa samy hafa tanteraka izany satria samy manana ny lalàna mifehy azy ary samy manana ny fenitra tiana hahatongavana na dia mitovitovy ny fahitana azy.

In-telo izao no nanao fanambarana i Vatican dia ny taona 2015, ny 27 aogositra 2018 ary izao 21 oktobra 2020 izao ka mbola tsy nilaza fa hanamasina any ampiangonana ny fanambadiana ity.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi