Publié le 17 janvier 2021
Mihetsiketsika mafy ireo mpanohitra ny fitondrana, ankehitriny. Manaporofo izany ny fisian’ny fivoriana saika isan’andro, ao amin’ny foiben’ny TIM etsy Bel’air. Lôjika ihany ny zava-mitranga satria raha ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana, ny fiandohan’ny taona vaovao teo, dia hijoro sy hihetsika amin’izay ny mpanohitra, amin’ity taona vaovao ity. Manaporofo izany koa ny fanaovan’ireo onja-peo manohitra ny fitondrana ny Miara-manonja, isan’andro. Mazava ho azy fa fanaratsiana ny mpitondra ranoray fotsiny no mandeha ao anatin’izany Miara-manonja izany, ary araraotina mihitsy ny zava-misy eto amin’ny firenena ho famporisihana ny vahoaka hitroatra. Resy lahatra mantsy ny fanoherana fa amin’izao fiakaran’ny vidim-bary sy ny fisian’ny olana amin’ny famatsiana rano sy herinaratra izao no fotoana tsara indrindra hanonganana ny fitondrana Rajoelina. Azo antoka fa mifandraika amin’izany ny votoatin’ny fivoriana tsy an-kiato ataon’ny TIM sy ireo mpanao politika manara-dia azy, etsy Bel’Air.