La Gazette de la grande ile

Akom-baovao samihafa / Tompon’andraikitry ny MCC Toamasina : Manararao-pahefana

Publié le 01 mars 2022

Araka ny fitarainana voaray avy amin’ireo mpikarakara lanonana tao Toamasina, dia misy ny fanararaotam-pahefana nataon-dRamatoa Vololoniana Aniella Elisabelle, monina ao Tanambao V–Toamasina, amin’ny mahatompon’andraikitry ny Tranoben’ny serasera sy ny kolotsaina azy any.

Voalazan’ny mpikarakara lanonana izay voasoloky fa dia manararaotra ny fahefana eo am-pelatanany ity ramatoa voalaza anarana etsy ambony ity. Taratasy fifanarahana vita sonian’ny roa tonta dia misy antom-bola (caution) tsy maintsy aloa mialoha ka iray hetsy ariary izany. Ny antony handoavana io mialoha dia hiantohan’ny mpikarakara feno ny mety hisian’ny fahasimban’ny entana simba na vaky ohatra. Raha toa ka tsy misy ny fahasimbana dia tokony haverina amin’ireo mpikarakara lanonana io antom-bola (caution) iray hetsy ariary io. Tsy izany anefa no nitranga tany satria dia nogiazan-dRamatoa Vololoniaina A. E, ny anto-bolan’olona, izay tsy fantatra mazava hoe inona no antony tsy namerenany izany, kanefa ny entana na zavatra tao anatiny tsy nisy simba, araka ny fitantarana hatrany.

Toa voarirarira hatrany izay mba mitaky ny famerenana io antom-bola io ,hoy ny loharanom-baovao. Fanampim-baovao ihany koa , notokanana tamin’ny taona 2021 ny “centre d’incubation” , nanofa fitaovana tamin’izany ny tompon’andraikitry ny Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina any Toamasina. Hatramin’izao fotoana dia tsy mbola voaloa ny saram-panofana ireo entana nampiasana tao, araka ny fanadihadiana nataonay.

Vola vy : Feran’ny mpivarotra ny fampiasana azy

Ny Banky Foiben’ny Repoblika malagasy sy ny Tahirim-bolam-panjakana irery sisa no mamoaka sy mampiasa ny vola vy dimampolo ariary sy roapolo ariary ary folo ariary amin’ny vola vy, ankoatra ireo vola vy madinika hatrizay, amin’izao fotoana. Ny mpivarotra amin’ny ankapobeny dia tsy misy mety mandray azy ireny intsony. Misy ny mpivarotra manararaotra ka ny entana ao aminy no ataony takalon’ny vola vy madinika. Ny sasany indray, misy mamerina vola vy fa tsy mety mandray raha ividianana. Ohatra raisina , raha mividy entana 250 ariary dia takiany io 50 ariary satria tsy manana madinika izy. Rehefa tsy misy any amin’ilay mpividy dia lazaina tsotra ny hoe “atao bonbon ny dimampolo ariary. Misy ny mpividy dia mandà izany fa mamaly hoe “tehirizo ao ny dimampolo ariary ka rehefa miverina mividy in.enina eto dia efa 300 ariary ny fitambarany, ary dia mahazo entana hafa izany”.

Ny re dia misy karana manangona ireny vola vy ireny ka arendriny, izay lafony avo zato heny amin’ny sandan’ilay vola vy ny vidiny.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi