Publié le 21 mars 2022
Mety ho gaga ianao mpamaky amin’io lohatenin’ny matoan-dahatsoratra io. Tsy diso anefa ianao raha gaga satria ny zava-misy no manosika anay hanao ity lahatsoratra ity.
Nisy velirano nifamatoran’ny filohampirenena tamin’ny vahoaka tamin’ny fotoana nanaovana ny fampielezan-kevitry ny fifidianana teto. Tafakatra herin-taona teo amin’ny fahefam-panjakana ny mpitondra ankehitriny dia nitranga ny valan’aretina Covid 19. Nitera-pahavoazana ho an’izao tontolo izao, na ara-toekarena na ara-tsosialy io aretina io, ary mandrak’ankehitriny dia mbola mizaka ny takaitrany ny vahoaka maneran-tany. Tsy afa-bela tamin’izany isika Malagasy. Tokony nandray fepetra hatry ny ela koa anefa ny mpitondra mba hamonjena ny vahoaka Malagasy satria talohaben’ny covid 19 dia efa latsaka anaty lavaky ny fahantrana ny ambanilanitra teto Madagasikara. Fiventinay teto ny hoe “jereo haingana ny fitantanana ny harem-pirenena sy ny fiarovana azy, ary ataovy laharam-pahamehana ny fanavaozana ny fifanarahana momba ireo tetik’asa goavana momba ny harem-pirenena, dia ny Ambatovy sy ny QMM. Izao ny Governemanta vao mampiaka-peo momba ireo tetik’asa goavana ireo. Dia manara-maso ny maro hoe “ho sahy ka hahavita ve ianareo, ary hatraiza?”
Etsy ankilany, noresahina hatrany ny tokony hahalaharam-pahamehana ny tontolo ara-pambolena sy fiompiana hiantohana ny sakafo ho an’ny vahoaka. Vao mainka notsindriana izany hatramin’ny Covid 19 no mankaty satria fantatra ny olana nateraky ny Covid 19. Tsy dia mifanojo amin’izany rehetra izany anefa aloha hatreto ny ataon’ny mpitondra. Mbola ady hevitra ifandresen-dahatra io satria ny mpitondra dia miezaka milaza fa “fikarakarana ny sosialin’ny vahoaka ny asa ataonay amin’ny fananganana fotodrafitrasa etsy sy eroa”.
Ny vahoaka maro an’isa kosa mahatsiaro fa mihamavesatra ny fahasahiranana satria midangana ny vidim-piainana nefa tsy mihatsara ny fidiram-bola. Ny fihomboan’ny fahasahiranana toa izao dia teboka manamora ny fanakorontanana ny fiaraha-monina satria ny vahoaka dia mihevitra mandrakariva ny hikaroka ny fomba handaminany sy hanatsarany ny fiainany, ka raha vao mifanojo amin’izay teti-panakorontanana izay ny eritreretin’ny maro, dia teraka ny fihetsiketsehana isan-tokony.
Tompon’andraikitra amin’ny fitadiavana hevitra tsy hitrangan’izany ianareo mpitondra. Ny ho akon’ny fihetsiketsehana hitranga mantsy dia ny ho faharavan’ny safidim-bahoaka, fa etsy ankilany, dia ny mbola hifandritahana amin’izay hevitra tena hiantohana izay fanarenam-pirenena izay.
Tsarovy fa tsy hitomoe-poana ny mpampanjana-bola iraisampirenena sy ny firenen-dehibe mpanani-bohitra mpandroba harena fa hametraka izay olona azony antoka kokoa fa hiantoka ny filàny eto. Efa niloa-bava, ohatra, ny mpitondra ankehitriny, fa tsy hanaiky an’io resaka Ambatovy sy QMM amin’izao fotoana io. Eo koa ny resaka ady any Iokraina sy ny tsy nanarahan’ny fitondrana ny fanirian’ny tandrefana. Eo koa ny fahasahiranana lalim-paka mihatra amin’ny vahoaka. Ho mora ho an’ny sasany izany ny hanapoahana ny raharaha ara-tsosialy (explosion sociale) eto, dia ho tafita amin’ny tetiny ry zareo. Ny mpilalao politika ivelan’ny fitondrana moa dia efa mifandray tendro tsy tapaka amin’ireo mpampanjana-bola iraisampirenena sy firenen-dehibe mpanani-bohitra mpandroba harena ireo. Mila mailo ô!
Tohanana