Publié le 19 mars 2022
Eo amin’ny kilaometatra « PK » 421+090 amin’ny lalampirenena fahafito « RN7 », izay eo anelanelan’i Fianarantsoa sy Ambalavao, dia hisy fanamboarana ny tetezan’Ambodirano hanomboka anio sabotsy 19 martsa 2022 manomboka amin’ny 9 ora alina sy ny rahampitso alahady hatramin’ny 5 ora maraina. Ny talata 22 martsa 2022 , hanomboka amin’ny 9 ora alina hatramin’ny 5 ora maraina dia mbola ho tapaka manarak’izany koa ny lalana eo amin’ny PK 421+090 io. Mbola mitohy kosa ny asa fanamboaran-dalana izay noravain’ny rivo-doza eo anelanelan’Ambalavao sy Ihosy amin’ny lalampirenena RN7 ihany, amin’ny PK 489+800. Araka ny tatitra avy amin’ny ministeran’ny Asa Vaventy dia vita ny asa vonjimaika ny lalana mampitohy an’Ambatondrazaka sy Andilamena RN3a eo amin’ny PK12+600.
Mpiasa migadra any Koweit : Itakiana handoa sazy an-tapitrisa mahery
Voasazy handoa sazy vola na lamandy iray tapitrisa sy dimy hetsy ariary na 300 euros ireo mpiasa Malagasy miasa any Koweit vao afaka hody eto an-tanindrazana. Na dia efa misokatra malalaka aza ny sisin-tany araka ny fampitam-baovao avy amin’ ny filohan’ny fikambanana Zanak’i Gasikara, Heliarisoa Caroza. Takiana handoa io vola be io ny mpiasa migadra any noho ireo olana maro nosedrain’ izy ireo any an-tanin’olona. Vokatry ny valanaretina covid-19 nandritra ny telo taona izay, dia maro ny taratasy fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny mpampiasa no lany daty , ny tokony hanavaozana ny pasipaora mba hahafahan’izy ireo mivezivezy izay lasa toy ny gadra. Tsy fidiny ho azy ireo ny antony nahatafajanona tany ivelany azy ireo, hoy Heliarisoa Caroza, izay tsy mikely soroka mikaroka lalana ny hampodiana ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy. Miantso ny fitondram-panjakana malagasy izy mba hifampiraharaha arak’izay haingana amin’ny masoivoho Arabo na ny eto na ny any ivelany, mba hanamora ny fampodiana azy ireo satria dia tena efa lany vatsy no sady very hevitra ny ray aman-dreninin’ izy ireo.
Distrikan’i Faradofay : Mitaraina amin’ny fidangan’ny vidim-piainana
Andrasan’ny vahoakan’i Faradofay fatratra ny hametrahan’ny mpitondra fanjakana vahaolana maharitra amin’ny famahana- haingana eo amin’ny lafiny ara-tsosialy. Tafahoatra, hoy ireo mponina izay nitondra fitarainana noho ny zava-misy any ny fidangan’ny vidim-piainana tafahoatra. Ny iray kitapo amin’ny lafarinina dia vidina 2 hetsy ariary amin’izao fotoana, ny siramamy indray 4000 ariary ny kilao, sy ny menaka kosa vidina 8.000ariary ny iray litatra, ary ny iray kitapo amin’ny simenitra koa dia efa hananika ny 50.000 ariary. Ny eo amin’ny fahadiovana indray dia tsy misitraka rano fisotro madio ny any amin’ity distrika ity , ary misy aza ny maty vokatry ny rano maloto any amin’ny kaominina sasantsasany. Ny tsy fahandriampahalemana koa dia mitombo andro aman’alina na asa fanafihan-dahalo na vaky fasana, hoy hatrany ireo fitarainan’ireo mponina any.
Nangonon’i Soarak