La Gazette de la grande ile

Lava maso

Publié le 19 mars 2022

- Inona, moa, ny ENTIMODY nasaiko nampanaovina anareo omaly, rankizy? hoy ity mpampianatra.

- Manao ny SARITANY enina misy eto Madagasikara, Ramose!

- PROVINCE enina izany!

- Oui, Mosé!

- PROVINCE de Tamatave ny an’ise, ry Doda!… Asehoy hoe!… Bon!… PROVINCE de MAJUNGA ny an’i Soa!… Bon!… RPOVINCE de Tuléar ny an’i Bertine!… Bon!… Haingana, fa an’ise izao ry Zefa!… Aiza?… Tamatave ny an’ise! Asehoy!

- Io, Ramose!

- Aiza e?… Inona ity sary mitankovona tsy haihay fantarina ity, ry Zefa?… Province de Tamatave, ve, izao?

- Tamatave io, Ramose, fa Tamatave voasaron’ny CYCLONE, ka tsy mazava tsara!

- ???

 

Lire aussi