Publié le 19 mars 2022
Ny fanovana governemanta tamin’ny alarobia faha 16 martsa 2022 teo iny dia isan’ny nanamarika ny vaovao lehibe teto amin’ny firenena. Ny fahadisoam-panantenana no betsaka tamin’ireo mpanaraka ny raharaham-pirenena satria nieritreritra fa tena fitsarana ny tombanezaka no nibaiko izany nefa zavatra hafa tanteraka no nitranga. Voa maika nampisehoan’ny filoham-pirenena fa tsy azo kitikitihina i Mama Sôsy sy Tinoka Roberto. Ity farany aza dia mbola ny vadin’ny zandriny indray no napetraka ho ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra. Olona roa be izao no nesorina tamin’ny toerany hametrahana azy satria namana na dia mbola voatavo tsy mifandraka.
Ny vahoaka milaza fa manimba ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ny mbola itazonan’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ireo olona roa ireo. Ankilany indray ny fanjakana dia namaly izany tamin’ny fanomezana toky tanteraka azy roa ireo amin’ny fampandehanana izao fitondrana izao. Naverina minisitra avokoa izy roa ka menatra tanteraka ireo izay tsy tia azy.
Hoan’ny fanjakana ankehitriny dia nahavita ny asany an-tsakany sy an-davany i Tinoka Roberto Lalatiana Rakotondrazafy “Mama Sôsy”. Tsy hay tenenina intsony ny fanakianana sy ny tsikera mahazo azy roa ireo tamin’ny governemanta farany teo iny. Hatramin’ny zazakely avy no niloa-bava. Raha politika indray no asiana resaka dia tsy hita izay tena vokatra entin’izy ireo fa fanapotehina ny fanjakana no tazana avy aty ivelany.
Lasa resaky ny moana sy marenina ny raharaham-pirenena ankehitriny ka tsy mifampino teny intsony ny vahoaka sy ny mpitondra. Ny fanjakana milaza fa mandeha ny velirano. Ny mpanohitra manizingizina fa tsy mandeha ny raharaham-pirenena. Ny vahoaka mahantra fadiranovana.Samy manana ny fomba fijeriny ary samy mitazona ny hevinyny andaniny sy ny ankilany. Zava-doza amin’ny firenena ny toa izao. Ny taona 2023 no tena hahitana izay mafy satria ny fifidianana indray no tsy maintsy mitsara izany.
Randriambe Jesy Rabelaolao