Publié le 18 mars 2022
Tamin’ny zoma faha 12 martsa 2022 teo dia nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Manakara ny sefom-pokontany ao Mitanty-Est nohon’ny fahaverezan’ny « Tôles » miisa 10 napetraka tao aminy izay homena ny kaominina Vantana. Natao Sorona ity sefom-pokontany ity mba hilazana fa misy manodikodina ny fanampiana tonga tany amin’ity Faritra Fitovinany ity. Voaporofo izao fa misy ny fanodikodinana ataon’ireo tompon’andraikitra any an-toerana ny fanomezana vokatrin’ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai sy Emnati.
Fantatra indray fa nahodikodin’ny mpitondra any an-toerana ny vary miisa 50 gony hoan’ny kaominina ao Namorina. Very toa izany koa ny menaka 300 litatra ary voamaina 10 gony. Ny 12 febroary 2022 teo no voamarika fa navoakan’ny BNGRC ireo entana ireo. Voalaza fa tompon’andraikitra maromaro any amin’ny faritra no tompon’andraikitra amin’ny famoahana ireo entana ireo ary vita ara-dalana ny taratasy fivoahan’izany entana izany. Tompon’antoka amin’izany ny BNGRC (birao misahana ny loza voajanahary) any Manakara, toa izany koa ny depiote ary ny governora izay tompon’andraikitra ara-panjakana any an-toerana. Azo lazaina fa tambazotra iray ireo olona mangalatra sy manodikodina fanampiana hoan’ny traboina izao.
Nanao fanambarana ny faritra avy any Manakara sy Vohipeno fa be dia be loatra ny fanodikodinana ireo fanampiana ireo ataon’ny mpitondra any an-toerana. Mangataka ny Bianco ho tonga any an-toerana izy ireo.
Mbola betsaka hatramin’izao no tsy nahazo fanampiana ireo vahoaka traboina any Manakara sy Vohipeno nefa fantatra fa misy ny fahatongavan’ny fanampiana any an-toerana fa voahodikodin’ny mpitondra.
Gaboraraka tanteraka ny fitantanana ny fanampiana tonga tany amin’ny faritra Fitovinany. Mahagaga fa mijery fotsiny izany ny fanjakana foibe. Be dia be ny rapaoro sandoka tonga aty ambony.
Randriambe Jesy Rabelaolao