Publié le 18 mars 2022
Saika simba ny ankamaroan’ny lalampirenena manerana ny Nosy amin’izao fotoana. Ireo vao vita vao haingana no hany tsara. Isan’ny mampikaikaika ny olom-pirenena ny eo anelanelan’i Maromandia amin’Ambanja. Mba efa voafaritry ny fanjakana ao anatin’ny Fandaharan’asa ankapoben’ny governemanta ve ny fanamboarana an’io lalana io?
Velirano ara-pahasalamana : Misitraka izany ny faritra Vakinakaratra
Hita taratra ao amin’ny faritra Vakinankaratra, izay tarihan’ny Governora Vy Vato Rakotovao hatrany ny fampiharana ny velirano fahadimy napetraky ny filohampirenena. Miisa 213 ireo tobim-pahasalamana na CSB izay sitrahan’ny mponina ao. Ny 152 amin’ireo dia an’ny fanjakana. Mpiasan’ny fahasalamana avokoa ireo miara-misalahy amin’ny fampandroasoana ny fahasalamam-bahoaka any. Sokajin-taona tsy nisy nanavahana koa no misitraka ny fitsaboana manara-penitra. Eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana io ihany dia nisitraka tobim-pahasalamana na CSB II manara-penitra torak’izany ny Fokontany Ambodiroatra, Kaominina Ambanivohitra Antanandava, disitrakan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro.
Lalao tsipy kanetibe : Velom-bolo fa handray anjara ihany
Sangany amin’ny lalao tsipy kanetibe ny mpifaninana malagasy eto amintsika. Efa voaloa manontolo ny trosa saika tsy nahafahan’i Madagasikara mandray anjara intsony amin’ity taranja ity eo amin’ny sehatra na fifaninanana iraisam-pirenena. Velom-bolo avokoa ny mpandray anjara raha nandre fa afaka ny handray anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena ihany ny malagasy , hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny federasiona Tsipy kanetibe Malagasy..
Andakabe – Morondava : Telo ny trano may
Fifampikasohana teo amin’ny herin’aratra no antony nahatonga ny hain-trano tao Andakabe Morondava ao amin’ny faritra Menabe. Tokantrano miisa telo no tratry ny fahamaizana , izay misy olona roapolo no mitoetra izay lasa tsy manan-kialofana vokatr’izany. Tratran’ny afo ny fiangonana miara-manompo sy ny ampahan’ny biraon’ ny fitantanam-bola any an-toerana. Ny firaisan-kinan’ny Fokonolona no nahafehezana ny afo tsy nihanaka be.
Nangonon’i Soarak