Publié le 19 mars 2022
Araka ny filazan’ny minisitry ny asa vaventy dia hasiam-panamboarana ny tetezan’Ambodirano, anelanelan’ny Fianarantsoa sy Ambalavao. Ho tapaka ny fifamoivoizana amin’ireo toerana voalaza ireo. Manomboka androany, 19 Martsa amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny alahady 20 martsa amin’ny 5ora maraina no hanatanterahana izany. Hitohy ny talata 22 martsa ka hatramin’ny Alarobia 23 martsa amin’ny 5ora maraina.
Zinnia Jrs (stagiaire)