Publié le 18 mars 2022
Tsy niandry ela fa omaly maraina ihany no notanterahina ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika vaovao, Rakotomalala Herindrainy Olivier, sy ny mpisolo toerana vonjimaika, ny praiminisitra Ntsay Christian. Tena nanaitra ny resaka nataon’ny minisitra vaovao, tamin’io fotoana io, izay nilaza fa volamena manodidina ny 7 taonina isan-taona no mivoaka an-tsokosoko eto Madagasikara hahondrana any ivelany. Mampiseho izany vaovao mivoaka izany fa tsy misy dikany mihintsy ireo volamena 73.5 kg tratra tatsy Afrika Atsimo sy ny 49 kg tatsy amin’ny Nosy Kaomoro satria tsy ampy 2 isan-jaton’ny lanjan’ny volamena mivoaka an-tsokosoko isan-taona akory.
Marihana fa manodidina ny 5 alina euro na 220 taptrisa ariary amin’izao fotoana ny vidin’ny volamena iray kilao eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Raha atao ny kajy tsotsotra, mahatratra 350 tapitrisa euro na 1470 miliara ariary ny sandam-bidin’ireo volamena 7 T mivoaka an-tsokosoko eto amintsika isan-taona. Raha io vola io fotsiny no jerena dia mbola be lavitra noho ny fanampiana sy ny trosa omen’ireo mpamatsy vola mahazatra an’i Madagasikara ao anatin’ny taona iray. Mbola ny volamena fotsiny izany fa tsy tafiditra ao anatiny ny harena an-kibon’ny tany sy ambonin’ny tany ary ny harena an-dranomasina mivoaka an-tsokosoko eto Madagasikara. Midika izany fa raha voafehin’ny Fanjakana tsara ny harena eto amintsika, dia tsy mila famantsiam-bola avy any ivelany izany isika Malagasy fa ny harena eto ihany dia efa ampy entina manatanteraka ny asa fampandrosoana eto amin’ny firenena.
Nandritra izay fifamindram-pahefana omaly izay ihany koa no nilazan’ny praiminisitra fa tsy azo ekena intsony ny fifanarahana nifanaovan’ny Fanjakana malagasy tamin’ireo orinasa lehibe mpitrandraka harena an-kibon’ny tany eto amintsika, ao anatin’izany ny QMM sy ny Ambatovy. Manoloana izany indrindra dia tsy maintsy hiroso amin’ny fanovàna ny fehezan-dalàna mifehy harena an-kibon’ny tany (Code minier) ny fitondram-panjakana, ka ny tanjona amin’izany dia ny fanatsarana ny fitantanana io seham-pihariana stratejika io eto amintsika sy ny hiadiana amin’ny fanondranana an-tsokosoko. Miandry moa ny rehetra raha tena hotanterahina tokoa izany teny nataon’ny praiminisitra izany fa tsy kobaka am-bava tahaka ny fanaon’ny mpitondra hatramin’izay.
F.Tsihiavonana