Publié le 18 mars 2022
Nohavaozina iny ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Tsy iadiantsika hevitra ny endrika nisehoany fa ndeha samy hanaiky isika fa fahefan’ny filohampirenena ny nanaovana an’iny fanavaozana iny dia iny izy iny. Ny ady hevitra tokony hifotorana izany izao dia ny fampivainganan’ny fitondram-panjakana ny hafatry ny filohampierenena tamin’ny alarobia hoe “hikatsaka ny fanasoavana ny vahoaka”. Raha vantanina dia ny ara-tsosialy izany.
Ady hevitra niseho lany teto hatramin’ny taona 2020 izay nampisongadina ny olana ara-tsosialin’ny vahoaka ny hoe “tsy mifanojo amin’ny laharam-pahamehan’ny vahoaka ny asa ihazakazahan’ny fitondrana atao”. Dia nifandroritana teto ny hoe “tsy ny fotodrafitrasa no mahamaika fa ny sakafo ho an’ny vahoaka”.
Izahay tsy hiteny hoe “ny sakafo no endrika isehoan’ny ara-tsosialy” fa te hamatotra andraikitra ny fitondrana hoe “ataovy izay hahatsiarovan’ny ambanilanitra fa mihamalefaka kosa ny fahasahiranana na ny vesatry ny fampahantrana mitambaby aminay vahoaka”.
Mety ho ny fanamboarana fotodrafitrasa no ahafahana manalefaka an’izany. Tohizo! Ahafahana manalefaka azy io koa ny fametrahana toeram-pialamboly mahafinaritra, toa ny Kianja fialamboly Miami any Toamasina. Tanteraho! Tsy vahaolana ny fizarana vary satria mitaiza ny vahoaka ho kamo sy hotoloram-potsiny. Atsaharo! Ahitana irika hanalefahan’ny sahirana ny fahasahiranany ny asa tana-maro na “Himo”. Hateveno na tsy maharitra aza.
Jereo ny tontolo ambanivohitra dia ny lafiny fambolena sy fiompiana, ary aza avela hahatsapa ny tantsaha hoe “mamokatra izahay nefa tsy tafavoaka ny vokatra noho ny tsy fisian’ny lalana.” Izay ilay hoe “ataovy ny fotodrafitrasa”. Tsy tokony hitranga ny fitarainan’ny tantsaha hoe hararaotin’ny mpanangom-bokatra izahay ka vidiany mora ny valin-kantsembohanay. Tokony hametraka lamina handraisana ny vokatry ny tantsaha ny fanjakana. Nahoana ny fanjakana afaka nanangana vondrom-barotra “SPM” ho fanafarana ireo kojakoja ilaina andavanandro (vary, menaka, lafarina, siramamy, simenitra…) ka nahoana no tsy ho afaka manangana rafitra hitsinjo ny tantsaha amin’ny famoahana ara-drariny ny vokatry ny famboleny sy ny fiompiany? Jereo ny fanafainganana ny famoronana asa fa io koa no olana ara-tsosialy mampanahirana ny maro.
Ny mahavoa antsika dia na inona na inona vahaolana hitantsika Malagasy fa hahasoa ny vahoaka, na mpitondra mahita an’io na mpanohitra na olom-pirenena tsotra… dia tsy sahy manatanteraka ny mpitondra raha vao midrinkina na mampiaka-peo maneho ny tsy fankasitrahany ny mpampanajan-bola iraisampirenena. Tsy tokony hatao mahagaga izany satria miankin-doha amin-dry zareo ny mpitondra antsika teto hatrizay ka tsy maintsy izay hahitan’ny mpampanjana-bola iraisampirenena tombontsoa ho azy no asainy ataontsika eto.
Ny vahaolana izany dia tsotra raha tena hikatsaka ny fikarakarana ny sosialin’ny vahoaka ny mpitondra. Ialao ny fiankinan-doha amin’ny mpampanjana-bola iraisampirenena sy ireo firenen-dehibe mpanani-bohitra mpandroba harena eto, ary hajao sy arovy ny fiandrianam-pirenena. Sahia mandray fepetra momba ny fiarovana sy fifehezana ny harem-pirenena eto mba hiantoka an’izany vahaolana ny ara-tsosialy ho an’ny vahoaka izany.
Ho sahy ve ny mpitondra? Mifanara-maso eto isika.
Tohanana