Publié le 19 mars 2022
Omaly no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Motel Anosy ny fitsanganan’ny vovonona politika Fanjakan’ny Faritra na ny “Etat Regional” izay hivondronan’ny antoko politika vitsivitsy eto amin’ny firenena. Araka izany anarany izany dia mivohy amin’ny tokony hampiharana ny fanjakana isam-paritra ity vovonana ity izay tarian’ny mpitarika ny antoko PSD (Parti Social-démocrate) Eliana Bezaza, Zafivao Jean Louis, ny profesora Andrainarivo Jonah ary Beanjara Paul.
Ho an’ireto mpanao politika ireto dia tsy azo idovirana intsony ny fanovàna ny lalàmpanorenana sy ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana teny izy amin’ny alàlan’ny fanjakan’ny Faritra raha tiana ny hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Hatramin’izay niverenan’ny fahaleovantena mantsy dia rafi-pitondrana manome fahefana feno ny Fanjakana foibe eto Antananarivo no nisy teto Madagasikara izay tsy nitondra fampandrosoana mihintsy fa vao maika nampahantrana ny firenena. Manoloana izany dia ny fanovàna ny lalàmpanorenana sy ny fametrahana ny fanjakan’ny Faritra (Etat Regional) ihany no vahaolana haingana sy mahomby hampandrosoana ny firenena, hoy ity vovonana ity.
Tsara marihana fa manolotra lalàmpanorenana mifanaraka amin’izany ny vovonana izay hatolotra ny andrim-panjakana rehetra misy eto amin’ny firenena. Hanolotra kandidà ho filoham-pirenena moa izy ireo amin’ny taona 2023 ka io lalàmpanorenana manome fahefana ny Faritra tsirairay avy io foto-kevitra lehibe entina handresen-dahatra ny vahoaka.
F.Tsihiavonana