La Gazette de la grande ile

Ravalomanana : Mikononkonona hampisy ra mandriaka

Publié le 21 mars 2022

Mitady ny fomba rehetra hiverenana eo amin’ny fitondrana ny ankolafin-kery mpiara-dia amin-dRavalomanana. Omaly aloha dia mody naneho hevitra amin’ny fomba « demokratika » ny sekretera jeneralin’ny TIM, Rina Andriamasinoro, fa “Ravalomanana no kandidan’ny Tim amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy”.

Fa etsy ankilan’io, efa ho valo volana eo koa izao no nikononkonona ny handrombaka ny fahefam-panjakana amin-kery ry Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy. Mikaroka ny fomba hahazoana fitaovamp-piadiana, hatrany ivelany, ary mifampiraharaha any anivon’ny tafika mba hahazoana izany fitaovam-piadiana izany eto ry zareo.

Amin’ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa dia manao izay fomba rehetra hanomanana ny sain’ny olom-pirenena ireto ivelan’ny fitondrana ireto ka mampihorohoro sy manery mivantana ny fitondrana mba hilefitra ka hifampiraharaha amin-dry zareo. Dia tonga hatramin’ny hoe « raha tiana tsy hisy korontana eto, indrindra amin’io fifidianana ho avy io dia tsara ihany ny mifampiresaka ». Ny sasany moa dia efa mandrangaranga mihitsy ny tokony hanovana ny lalampanorenana ka hanovana ny andininy momba ny firafitry ny HCC sy ny CENI. Ny sasany mampiaka-peo ny hananganana « fanjakana isa-paritra » (Etat gérional).

Omaly alahady dia niaka-tsehatra tao amin’ny onjam-peo mihitsy (Aceem Radio) ny loholona teo aloha sady filoha nasionalin’ny Teza, Rakotoamboa Jean Louis, izay isan’ireo mpiara-dia mafana fo amin-dRavalomanana ka nanamarika fa « mba tsy hisian’ny ra mandriaka dia aleo mifampiresaka dia miara-mikatsaka ny fomba sy hevitra hanatsarana ny fitantanana ny raharaham-pirenena ».

Tsy hoe manome lanja ny tenin’ireny sokajin’olona ireny fa misarika ny fisainan’ny mpitondra ihany kosa e. Na tsy hifanatrina sy tsy hifampiresaka amin’ny olona ivelan’ny fitondrana aza ianareo mpitondra, ento amin’ny lala-marina sy amin’ny hevitra mizotra mankany amin’ny fikatsahana ny tena tombontsoam-bahoaka ny firenena. Raha izao fomba fitantanana ankehitriny izao mantsy no ifotorana dia zary manome vahana ny fitakian’ny mpilalao politika ivelan’ny fitondrana ny mitana ny fahefam-panjakana. Ianareo mpitondra ange, raha misy ny tranga manahirana eto, afaka mitsoaka any ivelany fa ny vahoaka eto hatrany e !

Tsimba

Lire aussi