La Gazette de la grande ile

Governemanta-Depiote : Fifanatrehana fanasana ati-doham-bahoaka

Publié le 28 juin 2022

Ny fivoriana ara-potoana voalohany isa-taona eo anivon’ny Antenimierampirenena, toy ny misy amin’izao fotoana, dia voafaritra fa iadian-kevitra sy andinihana ny tolo-dalàna mirakitra ny teti-bolam-panjakana asiam-panitsiana amin’iny taona itsahina iny ny voalohany iray, ary ny faharoa, dia ny ifanatrehan’ny mpikambana ao anatin’ny governemanta sy ny depiote. Fanaovan’ny governemanta tatitry ny asa notanterahiny izany, ary andraisany ny fanontaniana sy fanamarihana mbamin’ny fanakianan’ny depiote na ny fitakiany koa. Ny fandinihana ny lalàna hafa, ankoatra izany

Raha ny marina dia Andrim-panjakana ny Antenimierampirenena fa tsy rafitra eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ny antenimieran’ny tanàna (conseil communal). Noho izany, raharaham-pirenena no tean iadian-kevitra eny amin’ny Antenimierampirenena fa tsy fitakiana andrin-jiro manazava lalankely na paompy fantsakan’ny mponina eny anivon’ny fokontany sy ny mitovy laharana amin’izany. Ny teto amintsika anefa tato anatin’ny 25 taona farany dia manana endrika fanasana ny ati-dohan’ny olom-pirenena ny fifanatrehan’ny depiote sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Tsy misy ady hevitra momba ny raharaham-pirenena ankapobeny, ary raha misy dia sehatra anehoan’ny depiote mpanohitra ny tsy fankasitrahany ny mpitondra na lapa nataon’ny depiote mpomba anindraindrana ny mpitondra.

Etsy ankilany, raha fitakiana lava-drano na lava-piringa na toeram-panasan-damba any anivon’ny fokontany no ifanatrehan’ny depiote amin’ny minisitra, dia voa mafy ary maty antoka ny firenena. Fanasana ati-doha ny vahoaka koa izany satria fanehoan’ny depiote fa miasa ho izy, nefa koa dia fomba iray ampahafantaran’ny governemanta koa fa tena mikarakara azy ny mpitondra.

Tsy fady akory izany fa raha misy lamina ny fitantanan-draharaham-panjakana dia zaraasan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ny solontenam-panjakana any amin’ireny rafitra an-tanan-tohatry ny fiaraha-monina ireny izany. Tsy tokony hadinoina fa misy solontenan’ny ministera isan-tokony ange any amin’ny Faritra sy distrika ary kaomina any e ! Hatrany amin’ny fokontany, misy mpampianatra, misy mpitsabo, misy mpiasan’ny asa vaventy, misy mpitandro filamaninana, sy ny tsy voatanisa, ka ireny no manao izay hampanjary ny asa rehetra avy amin’ny fitondrana, ary ny olom-boafidy kosa no misolotena ny vahoaka amin’ny fanatanterahana azy ireny. Ny raharaham-pirenena ankapobeny kosa no resahina eny amin’ny Antenimierampirenena. Misy raharaham-pirenena ankapobeny tsy azo hamaivanina eto nefa lany andro amin’ny adin’akoholahy ny eny Tsimbazaza matetika, eo anoloan’ny adin’ombalahy.

Tsimba

Lire aussi