Publié le 28 juin 2022
Tranga efa mateti-piseho eto amintsika foana ny fahafatesan’olona noho ny fihinanana soka-dranomasina. Tao amin’ny fokontanin’i Lovobe, ao anatin’ny distrikan’i Morondava indray no nitrangan’izany, ny faran’ny herinandro teo, ka olona folo no voamarina aloha hatreto fa namoy ny ainy, ary nisy zaza tao anatin’izany araka ny fampitam-baovao nataon’ny ministeran’ny jono ny toekarena manga. Tamin’ny zoma 24 jona lasa teo moa no nisehoan’ny tantara. Mpanjono iray no nahita ilay sokatra maty teny amoron-dranomasina ka nentiny tany amin’ny tanàna misy. Ny fampitam-baovao nataon’ny ministera ihany no nahafantarana fa karazana soka-dranomasina antsoina hoe « Chelonia mydas » io nisy mpanjono nahita io, ary efa andro vitsvitsy no nahafaty azy. Ankaotra ireo namoy ny ainy dia olona maro izay nihinana ity soka-dranomasina ity no marary mafy ary mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly ao Morondava. Tsiahivina ihany fa efa misy ny lalàna mandràra ny fihinanana soka-dranomasina navoakan’ny ministera, saingy noho ny hanohanana angamba dia maro ny olona mipetraka any amoron-tsiraka no tsy miraharaha an’izany lalàna izany.
Frank. T