Minisitry ny Fahasalamana: Nanondrana tany Vakinankaratra indray

Amin’ny maha-minisitra mpiahy (coach) an’iny faritr’i Vakinankaratra iny ny minisitry ny Fahasalamana, ny Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana, dia nidina tany an-toerana izy ny alarobia teo.

Tsy ny raharahan’ny departemanta ministerialy sahaniny ihany, izany hoe tsy ny tontolon’ny resaka fahasalamana sy fitsaboana ihany no noresahiny tamin’izany fa ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny eo ambany fiahian’ny fanjakana koa. Tamin’izany àry no namoriany ny ben’ny tanàna rehetra ao anatin’ny faritr’i Vakinankaratra tao amin’ny Tranompokonolona Antsirabe.

Ampahany ihany tamin’ny fotoana nivoriana anefa no mba nisy resaka momba ny fitantanana ny raharaham-bahoaka sy ny asam-panjakana fa nafantony tamin’ny fanitarana ny ambaindain’ny antoko Hvm ny resaka. Tafiditra tao anatin’izany ny fanerena ny ben’ny tanàna mba hanao izay hidiran’ny mponina any amin’ny kaominina misy azy ireny avy ho mpikatroka Hvm. Nisy mihitsy aza moa ny fihetsika sy teny toa mampirisika an’ireny olom-boafidy ireny hampihorohoro ny olom-pirenena ho tsy maintsy miditra Hvm.

Fa ireo ben’ny tanàna nivory tao koa no niantefan’ny fandrahonana sy fanerena ary fampihorohoroana voalohany ho tsy maintsy miditra Hvm. Mody nambara hoe “antsitra-po no amenoanareo ny taratasy firotsahana ho mpikatroka Hvm”, fa ny fihetsika sy teny rehetra dia miharo fandrahonana sy fampihorohoroana avokoa.

Dia mbola izany hatrany ve no ataon’ny olom-panjakana amin’izao taona arivo fahatelo izao? Efa tany ambadika ny 50 taona tany ange no nanaovan’ny Pisodia an’izany teto ka nahamay mihitsy ny mpiasam-panjakana tsy niditra Pisodia teto e! Efa tany ambadika ny 35 taona tany koa no nanohizan’ny Arema izany, ary nolovain’ny Undd tany ambadika ny 20 taona lasa tany, nolovain’ny Tim koa izany nandritra ny fotoana nitondrany. Dia izao tohizana sy hamafisin’ny Hvm izao.

Tsy mahay na miezaka misintona lesona mihitsy.

Antoko Aroriaka: « Tsy manana vahaolana intsony ny mpitondra »

Latsaka an-katerena tanteraka ny firenena Malagasy ankehitriny ary tsy misy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny fitantanana ny raharaham-pirenena noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra, raha ny hevitry ny antoko politika Aroriaka. “tao anatin’izay 3 taona nitondran’i Hery Rajaonarimampianina izay dia hita mibaribary ny fahapotehan’ny fiaraha-monina Malagasy, ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana, ary ny fisondrotra ny vidim-piainana tsy misy fiarafarany”, hoy i Rakotonirina Grégoire Odon, filohan’ny antoko Aroriaka. Ny rehetra dia samy mahita fa tsy manana vahaolana amin’ireo olona maro iainan’ny firenena sy ny vahoaka amin’ny fiainana andavanandro ny mpitondra ankehitriny ka tokony hahay hanetry tena hametra-pialàna. Matoa manao izay danin’ny kibony ireo kaompanian-tsolika vahiny eto amintsika izay mampiakatra ny vidin’ny solika amin’ny fotoana hitiavany azy dia midika izany fa tsy mahafehy ireo kaompanian-tsolika ireo intsony ny fanjakana Malagasy, hoy ihany i Rakotonirina Grégoire Odon.

F.T.

Ajouter un Commentaire