Andry Rajoelina: Tsy hanao politika intsony
Tao anatin’ny efatra taona latsaka kely izay dia tsy nahenoam-peo intsony ingahy Andry Nirina Rajoelina. Tsy miseho an-gazety, tsy manao fanambarana amin’ny maha filohan’antoko azy, fa dia nangina tsy nahitan-teny intsony. Hatramin’ ny televizionina sy radio izay ananany dia tsy andraisany fitenenana intsony. Ny antoko Mapar (Miaraka amin’i Prezidà Rajoelina) dia malazolazo tsy hita be ihany ny handraisana azy. Ny sisa miteny mahalankalana dia ny parlemantera Mapar izay hita fa mihena an-toerana toa ny fen’antitra. Ireo izay nihataka taminy, toa ny ekipan’ingahy Maharanty Jean de Dieu sisa no mahazo vahana. Tsy toa ny Mapar fahita hatramin’izay, Izay mpitarika ny tolona amin’ny fanoherana ny fanararaotam-pahefana sy miady hoan’ny vahoaka no misy ankehitriny, fa toa mitazona toerana sisa no ataon’ny ankamaroany. Mpikambana vitsivitsy amin’ireo depiote sisa no mba maneho hevitra amin’ny mpanao gazety. Raha nanontaniana amin’ny tsy fitenenan’ingahy Andry Nirina Rajoelina ireto depiote ireto dia milaza ny ankamaroany fa tetika ao anatin’ny antoko io hono no tsy mampiteny azy. Raha ny zava-misy anefa dia ny fahatahorana an’ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny fitondram-panjakana tanteraka no mahatonga ny fahanginany izao. Raha vao mihetsika eo hono dia voasambotra. Mandeha koa ny resaka fa matahotra ny fianakaviambe iraisam-pirenena hono ity filohan’ny Tetezamita teo aloha ity ka dia aleony mangina tanteraka. Isan’ny resabe amin’izao fotoana izao koa ny tsy fitenenan’ingahy Andry Nirina Rajoelina izay tsy miteny mihitsy mahakasika ny fisamborana ataon’ny fanjakana ny mpikambana Mapar amin’izao fotoana izao. Tsy hotanisaina intsony ny tsy fijereny ireo mpiara mitolona aminy tamin’ny tetezamita ka lasa depiote sy senatera amin’izao fotoana izao izay gadrain’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina. Tena manary namana tanteraka ingahy Andry Nirina Rajoelina hoy ny resaka mandeha etsy sy eroa. Ny tsy fitenenany mahakasika ny fitondrana ankehitriny izay tena nitarika ny fahantrana mihoapampana amin’izao fotoana izao dia tsy mampaninona ny olona loatra, fa ny tsy firaharahany ny mpiray petsapetsa aminy izay azon’ny antsojay ataon’ny fanjakana no tena mampimenomenona ny mpiaradia aminy. Tena misy milaza fa fitiavan-tena no misy amin’ingahy filohan’ny tetezamita teo aloha ity. Indraindray dia heno fa tonga eto Madagasikara ingahy Andry Nirina Rajoelina. Tsy miseho vahoaka mihitsy hoy ny olona, ka na ny mpiaradia aminy sy ny mpikambana Mapar any amin’ny fototra na ny “base” dia velon-taraina tanteraka. Ireo antsoina hoe “ fanatique” na ireo olona raiki-tampisaka aminy no mbola manantena azy amin’izao fotoana izao. Misy koa ny milaza fa mbola mafy ny fifandraisan’izy sy ingahy Hery Rajaonarimampianina filoham-pirenena, fa resaka sinema io misy amin’izao fotoana izao io. Tsy dia mahagaga loatra izany rehefa dinihina satria minisitry ny volany ihany ity lasa filoham-pirenena ity, ary izy ihany no nanendry azy ho kandidàn’ny Mapar tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2013 lasa teo iny. Ingahy Camille Vital no lany tamin’ny kongresin’ny Mapar teny Andranomena, nefa dia ity filoham-pirenena amin’izao fotoana izao ity no voatendriny ho kandidà. Hatramin’izao dia tsy miteny ny zavatra tsy mety ataon’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina mihitsy na kely aza ingahy Andry Rajoelina. Raha mbola tsy latsaka ankaterena toa izao aza ny fanjakan’ingahy Ravalomanana Marc tamin’ny taona 2008 dia hain’ity filohan’ny tetezamita ity ny nitsikera ambony ambany izany fanjakana izany, ary nitarika ny olona hanongana azy. Avo 100 heny ny fahavoazana ataon’ny fanjakana ankehitriny, nefa dia mangina tsy miloa-bava izy. Misy aza ny milaza fa mihinana ny azo fotsiny sisa no ataony. Hatramin’ny tombatomban’ny olona aza dia misy mihitsy ny milaza fa na tsy hikarama intsony aza izy dia ampy hivelomany ny vola sy harena azony tamin’ny andron’ny tetezamita iny mandrampahafatiny.
Mandeha koa ny resaka ankehitriny fa olona hafa indray hono no halatsany ho kandidà ho filoham-pirenena amin’ny tona 2018 hoavy io. Izany rehetra izany no resaka mandeha mahakasika an’ingahy Andry Nirina Rajoelina amin’izao fotoana izao. Manamarina ny resaka mandeha izany fa tsy hanao politika intsony ity olona ity.
Jesy Rabelaolao
Commentaires
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.