La Gazette de la grande ile

Lava maso

Publié le 21 mars 2022

- Ary ahoana koa, àry, izany hetim-bolonareo izany, Razily?

- Fa ahoana r’ise Razefa?… Be dian-kety, angaha?

- Tsy dian-kety, fa toa tena sola mihitsy-kah!

- Hay, ve?… Tena sola mihitsy io-kah!

- Efa ela ve?

- Efa ela an!… Tsy haiko mihitsy izay nahasola azy io, r’ise a!… Efa antitra, angamba e!… Efa betsaka izay menaka lazain’ny olona ho mampaniry azy, fa tsy hitako akory izay vokany!

- Ary efa nampiasa ny menaka amin’ireny KAPAOTY ireny, ve ise?

- MENAKA amin’ny KAPAOTY ahoana?… Atao inona izany?

- Ireny, hono, no tena mampaniry volo haingana e! Alaina ireny KAPOTY ireny, dia ilay menaka misy aminy no ahosotra amin’ny faritra sola, fa vetivety dia maniry ny volo!

- Tena tsy mino an’izany aho Razefa a!

- Fa ahoana?

- Raha marina izany, tsy efa rakotra volo ny “AKONDRO”n’ise mpampiasa KAPAOTY lava io?

- ???

Lire aussi