La Gazette de la grande ile

Antoko AVI : Nahazo toerana ny Jiolahy-Politika

Publié le 21 mars 2022

Nirehareha izay tsy izy ingahy Norbert Lala Ratsirahonana filohan’ny antoko AVI (Asa vita no hifampitsarana) tany Antanifotsy ny asabotsy faha 19 martsa 2022, nandritry ny sarin-tsarim-pambolena hazo namitahany ny olona tany amin’ity distrika ity indray. Ny hisehoana fa nahazo minisitra roa amin’izao governemanta faha efatra an’i Ntsay Christian ny antony tena nanaovana izany. Avy hatrany dia nilaza fa hanohana ny fanjakana amin’ny 2023 ny antoko tarihiny noho izany satria vita ny fifanarahana. Ny ministeran’ny harena ankobon’ny tany sy ny harena stratezika izay nanendrena an’ingahy Olivier Herindrainy Rakotomalala sy ny ministeran’ny fitanterana sy ny famantarana ny toetr’andro izay ho tantanin’i Ranjatoelina Rolland.

Faly dia faly Ratsirahonana Norbert Lala tamin’izany ka nibitaka sy nieboebo ery satria tonga tamin’ny tanjona kendreny nahazo ny ministera tena lehibe amin’izao fotoana izao hono. Iza moa no tsy mahalala an’ingahy Ratsirahonana Norbert Lala fa izy namotika ity firenena ity. Ny AVI izay fitaovana entina hitadiavana vola sy hampitahorana izay mpitondra mifanesy eo mba hahazoana toerana fotsiny. Toa izao ataony izao no namelezany an’ingahy Zafy Albert filoham-pirirenena tamin’ny repoblika faha-telo (1993-1996), ka nanonganany azy ny taona 1996. Mbola nataony toa izao koa ingahy Ravalomanana Marc ny taona 2001-2009. Naindraindrany sy notohanany ka rehefa tsy nametraka ny AVI tao anatin’ny governemanta nanomboka ny taona 2006, dia novadihany indray ny taona 2009 ka avy hatrany dia nanampy an’i Zandry Kely izy rehefa nihetsika ny vahoaka. Navelany teo Ravalo sy ny didy jadona izay nifanarahan’izy roalahy tamin’ny fanonganam-panjakana notarihiny ny taona 2001.

Iza no tsy mahalala isika fa tao anatin’ny mpanongam-panjakana teto Madagasikara ingahy Norbert Lala Ratsirahonana ity. Nanamarika izany ny fanongana tamin’ny taona 1991, ny taona 1996, ny taona 2001-2002, ary 2009.

Nomena toerana ny antoko AVI tarihin’ingahy Ratsirahonana Norbert Lala satria malemy tanteraka ny fanjakana ankehitriny. Sahirana mafy noho ny krizy maro mifandimby. Nidiran’ny voay ny harato ka ho hitan-tsika eo ny vokany.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi