La Gazette de la grande ile

Akom-baovao samihafa / Ranon-trambo - Parc Isalo : 6 maty tsy tra-drano .

Publié le 21 mars 2022

Nitragana ranon-trambo tao amin’ny toeram-pizahan-tany Parc Isalo ny 18 martsa 2022. Enina mianaka no namoy ny ainy raha ny olona iray tamin’ireo tsy mbola hita popoka hatramin’ny omaly alahady.

Sendikan’ny Administratera sivila : Voafidy ho filoha i Paolo

Ny zoma teo no notanterahina ny fifidianana izay ho filoha mpitarika ny Sendikan’ny Administratera sivila eto Madagasikara, ka i Paolo Emilio Raholinarivo no lany hitarika indray ity sendika ity.

Lalampirenena faha-34 : Hanomboka ny asa

Mampikaikaika ny mpampiasa lalana ny faharatsian’ny eo anelanelan’Antsirabe amin’i Betafo, amin’iny lalampirenena faha-34 iny, dia ny ao Ampahatrimaha, indrindra izany. Fantatra fa ny fihintsanan’ny antsanga sy ny rano avy amin’ny faritra ambony no olana ao ka miteraka fahatapahan-dalana matetika. Nanapa-kevitra ny fiadidiana ny Faritr’i Vakinankaratra fa hirosoana ny fanamboarana ka hakarina 1, 50 metatrra ny haavon’ny lalana ary asiana tata-drano goavana miisa 4 ao ambanin’ny lalana. Eo amin’ny antsasaka kilaometatra eo (450 metatra) no hamboarina ho amin’izany.

Boriboritany faha-4 : Nokarakaraina ny zokiolona

Miditra an-tsehatra Rtoa Ratsivalaka Michelle, izay tompon’anadraikitra misahana ny fifandraisana ara-pinoana sy ara-piaraha-monina (Drcc) eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Zokiolona 83 ao amin’ny fokontany Mananjara ao amin’ny Boriborintany Antananarivo fahefatra no nozarana fotsim-bary 10 Kilao. Nandray anjara tamin’ny fikarakarana izany fitsinjovana ny zokiolona eny an-toerana izany ny Fikambanan’ny Zokiolona ao Mananjara.

TGV Mahajanga : Vaky ny ady

Tsy nahafa-po an-dRtoa Nina Depiote-n’i Mahajanga, ny fihetsiky ny Governoran’i Boeny, Moukthar, ka nampiaka-peo ilay olom-boafidy hoe “ny tenako no nahatonga an’io Governora io amin’ny toerana maha-governora azy, eny na ny nahatonga azy ho Ben’ny tanànan’i Mahajanga tamin’ny fotoanandro aza dia ny tenako no nandresy lahatra ny birao politika, nefa ankehitriny, mitsipa-doha laka-nitana izy ka izaho Depiote Nina no voa voalohany amin’izany. Tsy nahenoam-peo kosa aloha hatreto Ingahy Governora Moukthar.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi