Josékely sy Radanoara: « Tompon’andraikitra amin’izao tsy mety izao ny filoha ! »

Vahinin’ny televizionina tsy miankina KOLO TV ny mpandinika ny raharaham-pirenena roa lahy izay samy manana ny maha izy azy dia José Andrianoelison na José kely sy Radanoara Julien.

Mpanao pôlitika sady minisitra teo aloha no manam-pahaizana manokana amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra sy ny fifandraisana amin’ny mpamatsy vola ingahy José kely. Ingahy Radonoara indray dia mpampianatra ikoizana amin’ny fanomanana fanadinam-panjakana isan’ambaratongany sady manam-pahaizana manokana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Raha toa ka niompana tamin’ny fomba fijery tekinika tanteraka no nentin’ingahy Radanoara Julien dia somary mitodika tamin’ny lafiny pôlitika indray no nitondran’i José kely ny fanazavany.

Raha niandry ady hevitra mifanohitra ny mpanaraka ny fandaharana « Ankitsipo » izay entanin’ny mpanao gazety Fehizoro Rafaly, dia nahaliana be tokoa ny resak’izy roalahy ireto amin’ny fanazavany ny raharaham-pirenena ankehitriny.

Tamin’ny resaka momba ny fifandraisan’i Madagasikara sy ny mpamatsy vola dia nitovitovy ny fomba fijerin’izy roalahy. Ny nampiavaka azy dia ingahy Radanoara Julien nilaza fa ny mpamatsy vola vahiny no zava-dehibe amin’ny fahazoana vola hampandrosoana ny firenena. Ingahy José Andrianoelison indray nilaza fa isika Malagasy no tokony hivory sy hitady ny momba ho antsika, izay vao mitady ny mpamatsy vola hanampy antsika amin’ny fanatanterahana izany raha ilaina izany. Tokony ny Malagasy no mandray ny andraikitra feno amin’ny fampandrosoana ny fireneny sy ny mponina ao aminy. Na izany aza, samy nilaza izy roalahy ireto fa ilaina ny mpamatsy vola avy any ivelany.

Ilaina ovana ny rafitra sy ny olona hitarika amin’izany. Tsy afa-misaraka ireo fa raha mandringa ny iray dia tsy maintsy mivaralila ny firenena. Ilaina ny fifandraisana amin’ny komity iraisam-pirenena, hoy ingahy José Andrianoelison fa tsy izy no mibaiko ny Malagasy tompon’ny tany sy ny firenena fa izay hevitra ny Malagasy no arahin’izy ireo. Na dia tsara ny rafitra ka ratsy ny olona dia tsy hisy na inona na inona hiova eto Madagasikara.

Mahakasika ny raharaha Claudine Razaimamonjy sy senatera Riana Andriamandavy VII indray dia samy nilaza izy roalahy ireto fa aoka hampiharina ny lalàna ka tsy hijanona amin’izao fa hotohizana hatrany amin’ny farany ny raharaha ka ho fantatra avokoa ny olona rehetra voakasika amin’io raharaha io. Ho an’i José kely manokana dia niangavy ny senatera Riana izy ny hanatonany any amin’ny zandary izay hanao fanadihadiana azy. Izany dia mba hanajana ny lalàna sy ny hasin’ny Antenimierandoholona. Aoka hiala amin’ny ahiahy be loatra isika Malagasy amin’ny raharaha maro misy amin’izao fotoana izao izay tsy mampitombina ny fitondram-panjakana intsony ka hiverenan’ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitondra indray, ka tokony ho tohizany hatramin’ny farany ny famotorana.

Mahakasika ny fankalazana ny raharaha 13 may 1972 dia tokony ho ny filoham-pirenena mihitsy no mitarika io fahatsiarovana io, ary tokony hatao ofisialy ny fihetsiketsehana io satria tantaram-pirenena no raiketin’izy io.

Ho azy roalahy ireto dia tompon’andraikitra amin’izao zava-mitranga eto amin’ny firenena izao ingahy Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Solonandrasana Olivier Mahafaly.

Ho azy roalahy ireto dia nitovy ny hevitra tamin’ny ankapobeny satria tsy misy fahefam-panjakana intsony eto Madagasikara, hoy izy ireo. Very ny soatoavina satria nosimbaina ny kolontsaina sy ny fahendrena Malagasy ka mandeha any amin’ny tsy izy ny raharaham-pirenena noho ny mpitondra ankehitriny. Tsy vitan’izany fa potika ny toe-karena sy ny fiaraha-monina. Soa ihany fa mbola misy Malagasy tsara sy madio eto Madagasikara. Mila fanarenana haingana izany ka tokony handray andraikitra ny vahoaka. Soa ihany hoy izy ireo fa akaiky ny taona 2018 izay hisian’ny fitsaram-bahoaka indray. Enga anie ka hahay hifidy sy hijery tsara ny raharaham-pirenena ny Malagasy mba tsy hiverenan’izao intsony.

Nangonin’i

Jesy Rabelaolao

Commentaires   

0 #1 Ando 15-05-2017 12:10
Tsara ampatsiahivina hoe inona no tena niseho nandritra ny taona 1972-1975. Toa Frantsay (Ohatra Raison-Jourde) indray no mampahatsiaro indraindray fa nisy ezaka fitsimbadihan-drafitra (revolution) mangina natao, nametrahana ny Fokonolona.

Tsotra ny safidy: hiantehitra amin’ny herin’ny Fokonolona dia hiezaka hiady mafy sa hiandry mpamatsy vola isan-taona handidy izay mety atao? Tsarovy fa ny mpamantsy vola tsy manome sy mamatsy fa mampindrana.
Citer

Ajouter un Commentaire