Antoko Monima: Hiroso amin’ny fanovana tena izy

Notanterahina teny amin’ny Foiben’ny “Mariazy Mirindra” eny Ambohipo ny herinandro lasa iny ny fivorian’ny mpikambana ao anatin’ny rafitry ny Komity Nasionalin’ny Antoko Monima. Ny fivorian’ny Komity Nasionaly no rafitra mpanapa-kevitra, misolo toerana ny zaikabem-pirenena eo anelanelan’ny fivorian’ny zaikabem-pirenena roa, ho an’ity antoko ity.

Nandritra ny lahateny nataon’ny filoha nasionalin’ny Monima, Monja Roindefo no nanoritsoritany fa “raha ny tolona nataon’ny vahoaka malagasy hatramin’izay no itodihana, ary raha ny harena misy eto amin’ity firenena ity no dinihana, indrindra fa ireo efa voatrandraka sy voaondrana any ampita, dia tsy tokony ho toa izao ny toerana misy an’i Madagasikara, ary tsy tokony hahantra toa izao ny vahoaka Malagasy”.

Ireo tranga iainan’ny vahoaka sy mianjady amin’ny isan-tokonam-baravarana dia navoitran’i Monja Roindefo, toy ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana, ny fianahan’ny asan-dahalo manerana ny Nosy, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fahantrana mihoa-pampana. “Manginy fotsiny”, hoy izy, “ny tsy fanajana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana”. “Tsy marin-toerana noho izany indrindra koa”, hoy ihany i Monja Roindefo, “ny zo handraharaha na ny “droit d’entreprendre”. “Mametraka tarazo amin’ny fampahantrana ny vahoaka avokoa izany”, hoy izy. “Tsy horesahina intsony”, hoy ihany ny filoha nasionalin’ny Monima, “ny tsy fisian’asa, ary iaraha-mahita toy ny tafika andrefan-tanana ny fizahozahoan’ny sokajin’olona mihevi-tena ho tsy maty manota eto”.

Notsiahiviny avy eo fa “tamin’ny taona 2009, fony Praiminisitra ny tenanay dia nankalazaina fa mpanondrana andramena mankany ivelany izahay”. Tsy mpanao fahagagana anefa izahay fa hatramin’izao ve dia tsy ho nisy taratra na porofo nahafahana namatotra andraikitra an’i Monja Roindefo raha nisy izany, hoy ny fanontaniany?

Ny tranga rehetra iainan’ny vahoaka amin’izao fotoana, hoy hatrany ity Praiminisitra napetraky ny vahoaka tamin’ny toerany ity tamin’ny hetsi-pirenena 2009 dia manome rariny ny fahatapahan’ny fifanarahana ara-tsosialy na “rupture du contrat social” teo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka, satria tsy afaka nanaporofo mihitsy ny mpitondra fanjakana fa mahavita miantoka ny fanatanterahana sy fampahombiazana ny andraikitra fototra nifamatorany tamin’ny vahoaka.

Notsiahiviny fa “ny vahoaka Malagasy dia vavolombelon’ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana nifandimlby teto, ary abaribarin’ny mpitondra ankehitriny izany fa eo ambany vahohon’ny mpijirika i Madagasikara na ilay antsoina hoe “Etat mafieux”, ary tsy afa-bela amin’izany ny tontolon’ny fihariana eto, izay ambaran’ny any ivelany rehetra any hoe “Mafiaisation de l’économie à Madagascar”, hoy izy.

Dia iarahan’ny maro mahita tokoa ange fa tonga miara-mitsikombakomba maloto amin’ny mpitondra fanjakana “mpijirika” ny “mpijirika” avy any ivelany e!.

Izany rehetra izany no nahatonga an’i Monja Roindefo sy ny Monima omaly hanandratra ny firosoana hatramin’ny farany ho any amin’ny fanovana tena izy, ka hijoroan’ny antsoina hoe “Hetsika Tambabe ho amin’ny fanovana tena izy” manomboka izao.

Tsy sanatria indray mandeha na indroa mandeha na in-telo mandeha no manta vary dia handeha handevin-tsotrobe eo anoloan’ny andraikitra takian’ny firenena amintsika Malagasy, hoy izy, ka alao hery fa marary ambavahaonan’ny fahafatesana ny vahoaka Malagasy sy i Madagasikara ka mitaky ny zanany, hiara-mijoro hanavotra azy sy hametraka azy eo amin’ny toerana mendrika azy sy izay niheveran-janahary azy.

Tsy nohadinoiny moa ny nanome ny tatitry ny fifandraisan’ny antoko Monima amin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ireo mpizaika eo anivon’ny Komity nasionaly omaly, ka isan’izany ny maha-mpikambana ny Monima eo anivon’ny Filankevitry ny antoko pôlitika aty Afrika, izay iarahan’ny antoko pôlitika afrikanina mahatratra 40 any, ny maha-isan’ny mpiara-miombona antoka ny Monima eo anivon’ny Filankevitra ara-toekarena afrikanina amin’ireo antoko pôlitika, ny maha-mpikambana ny monima eo anivon’ny vondromben’ny antoko pôlitika liam-pivoarana maneran-tany mbamin’ny fiarahana amin’ny samy antoko pôlitika aty amin’ny samy tatsimo (sud sud).

Ajouter un Commentaire