Publié le 05 juin 2020
Ny Fitrama dia tsy inona akory fa ilay ambara hoe « Fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana mampiasa ny raokandro malagasy » izay nipoitra tany Farafangana. Amin’izao fotoana mampiakatra avo ny lazan’ny tambavy malagasy amin’ny fisorohana ny tsy hiparitahan’ny aretina Covid 19 izao dia nipoitra tao anatin’ny fahanginany ireo mpitsabo nenti-paharazana ireo, ary nanangana ny Fitrama. Tsy ny raokandro fanao fanafody ihany amin’izao fotoana no imasoan’ireto mpitsabo nenti-paharazana ireto fa miroso amin’ny fanorana koa ka mampiasa ny fitaovana manaraka ny toetrandro ankehitriny. Zava-dehibe aloha ilay finiavana ka nahatonga ny fananganana rafitra toa izany.
Raha ny fanazavana ny ezaka natao sy mbola ifotoran’izy ireo dia karazan’ny fahaiza-manao nolovaina tamin’ny raiamandreny tany aloha izy io, ary mivoatra amin’izao fiotoana. Efa misy orin’asa goavana anodinana ny raokandro ho tambavy, ary fantatra fa efa misy teratany vahiny, (mpanambola ???) nahita sy nahatsapa ny ezaka ataon’ireo mpitsabo nenti-paharazana amin’ny raokandro malagasy ireo, ka nifanome tanana amin’izy ireo, miara-miombona antoka.
Tsy ela koa anefa fa indro nihazakazaka naneho fahalemem-panahy ka nanangana fiaraha-miasa amin’izy ireo ilay tovolahy mpisoloky raindahiny antsoina hoe « Rafanomezantsoa Jean Nirina » izay mitarika ny fikambanana « HAFARI » no nahalalan’ny maro azy.
Tsy misy hainy na toy ny ila hoho aza momba io fitsaboana nenti-paharazana io fa nohararaotiny ny fiakaran’ny lazan’ny tambavy CVO mba hanomezana sehatra koa ny vokatry ny ezak’ireto mpitsabo ao amin’ny Fitrama, dia izy Rafanomezantsoa Jean Nirina no mieboebo etsy sy eroa.
Fantatry ny olona maro, tsy eto Antananarivo ihany fa hatrany amin’ny faritra ny asa fisolokiana sy fanerena mivantana na ankolaka ny olona hanome vola azy amin’ny fomba isankarazany. Noho izany, misarika ny fisainan’ireo mpitsabo ao amin’ny Fitrama izahay ho mailo, ary raha azo atao, hanaisotra tsy misy hatakandro an-dRafanomezantsoa Jean Nirina amin’ny fitarihana an’io Fitrama io fa sady ho very vola tsy fidiny ianareo Fitrama amin’io tovolahy io no mety hiteraka fahafaham-baraka ho anareo ny hafitsok’izy io, ary iza no mahita fa mety hitarika hatrany amin’izay mety ho fampiasan’i Jean Nirina ny anaran’ny Fitrama amin’ny asa maloto fisolokiana any ambadika any ny raharaha ?
Rainisoa