Publié le 08 juin 2020
Ny sabotsy alina faha 06 jona 2020 tamin’ny 9 ora sy 30 minitra, teo amin’ny “trois chemins” teo Ambohipo no nitranga ity raharaha ity. Naharitra 20 minitra teo vao nijanona ny raharaha.
Misy polisy miantrana tsy ankijanona eo amin’ity toerana ity izay sakeli-dàlana mandeha mankany Ambolokandrina sy Ambohipo an-tanàna ary miakatra hoany amin’ny trano fonenan’ny mpianatra ao Ankatso-I.
Tamin’io fotoana io dia taitra daholo ny olona nanodidina teo amin’ity toerana ity. Nisy ny nivoaka teny an-dalambe nijery ny zavatra nitranga ary nisy ny avy eny an-davarangana sy ny ambaravarakely no nitazana. Feom-behivavy mikiakiaka sy mitaraina noho ny daroka sy ratra nahazo azy no hita. Vaky ny lohany ary niantso vonjeo izy fa nodarohan’ireto polisy.
Rehefa tonga teo an-toerana ny olona dia gaga fa Polisy miambina eo amin’ity toerana ity no mandaka, mitoto amin’ny vody basy vehivavy roa. Tena hita fa mpanao karaté na mpahay haiady ilay polisy izay nidaroka ireto ramatoa ireto. Voadaka hatrany amin’ny lohany sy ny kibony ary ny lamosiny izy roavavy. Nitrosona tamin’ny tany matetitetika ireo vehivavy ireo ary nandohalika sy nivalo nefa dia mbola tsy nanan’ireto polisy ireto antra fa nitohy hatrany ny fidarohana.
Teo anatrehan’izany dia efa nanomboka niditra an-tsehatra ireo tovolahy nahita ny fidarohana feno habibiana ity ary nanomboka nihamaro koa ny olona nanatrika. Efa nisy ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta, ary efa nisy koa aza ny fifampikasihan-tanàna teo amin’ny roa tonta. Nisy mihitsy aza no efa nilaza ireto olona nanatrika ireto fa tsy rariny izao ataon’ny polisy izao fa tsy azo ekena fa famonoana olona be izao.
Ireto vehivavy ireto moa tsy fantatra marina izay antony namonoan’ireto polisy azy. Ny andro koa amin’izao fotoana izao ao anatin’ny “couvre-feu” tanteraka. Misy fepetra hentitra amin’izany. Ilay polisy iray tamin’izy ireo no niantso ny lehibeny hoe misy vehivavy makorely na mpivarotena manakorontana eto ka inona no hataonay?
Ny fijerin’ny mpitazana indray dia nilaza fa tsy rariny ny nataon’ny polisy ireto satria sady mandratra olona no manao fihetsika feno habibiana mamono olona. Tsy vitan’izay fa vehivavy no nodarohana tsy nanana antra toa izao. Voararan’ny lalàna eto amin-tsika ny fikasihana tanàna olona eny fa na dia manao famotorana aza ny mpitandro ny filaminana. Misy mihitsy aza ny olona nijery teo nilaza fa mamo toaka ireo polisy ireo.
Tsy tamin’ny sabotsy faha 06 jona 2020 io ihany no nisy fidarohana olona toa izao teo amin’ny “trios chemins” Ambohipo io fa efa in-telo izao tao anatin’ity fihibohana ity ka ny tranga roa tamin’izany dia vehivavy. Samy naratra daholo ireo tratran’ny herisetra. Ny tranga iray indray dia lehilahy ka ireny fanasaziana toan’ny paompy sy rolady amin’ny “goudron” ireny no azon’izy ireo.
Raha nisy ny fahadisoan’ireo olona ireo nahoana no tsy tonga dia nentin’ireto polisy ireto tany amin’ny biraony izy ireo?
Raha ny fahitanay ny raharaha dia kely dia kely no tsy nahavaky ny adin’ny polisy sy ny mponina teny Ambohipo tamin’io alina io.
Raha mbola mitohy ity raharaha ity ka tsy handray fepetra ny ao amin’ny polisy dia mety hivadika raharaha hafa indray ity fidarohana olona atao eny Ambohipo ity satria ambety tenin’ny rehetra ny alahady maraina ity raharaha ity.
J.B