La Gazette de la grande ile

Holafitry ny Vaditany sy ny Mpanao Lavanty : Mangataka ny hanasaziana an’i Naivo Raholdina

Publié le 08 juin 2020

Vaky ny ady eo amin’ny holafitry ny vadiny sy ny mpanao lavanty eto Madagasikara sy ireo depiote roa voafidy teto Antananarivo Renivohitra, Naivo Raholdina sy Aina Rafenomanantsoa na i Anyah. Namoaka fanambarana ity holafitra ity ka nangataka ny tokony hanasaziana ireto solombavambahoaka roa ireto noho ny fanivahivana sy fanitsakitsahana ny hasin’ny fitsarana malagasy sy ny Vaditany malagasy. Marihana fa ady tany iray miseho eny Ankorondrano no nahatonga izao fifanandrinana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany izao. Ny talata 02 jona lasa teo dia nisy fianakaviana vitsivitsy no nesorina an-keriny teo amin’ny tany nipetrahan’izy ireo nandritra ny taona maro. Nanome rariny an’ilay olona milaza ho tena tompon’ny tany moa ny tribonaly ka ho fampiharana ny didim-pitsarana dia noravana ireo trano nahorina teo amin’io tany io. Tsy nankasitraka izany anefa ny depiote Naivo Raholdina sy Aina Rafenomanantsoa ka nidina teny an-toerana niaro ireo fianakaviana noravana trano. Ho an’ireto olom-boafidy ireto dia tsy ara-dalàna ny fanesorana ireo fianakaviana ireo amin’ny toerana satria tsy voahaja ny dingana ara-pitsarana rehetra. Tsy nisalasala i Naivo Raholdina raha nilaza tamin’io fotoana io fa notambazana volabe ny vadintany tonga nangataka ny fialàn’ireo fianakaviana ireo eo amin’ny tany hipetrahan’izy ireo. Fanivahivana sy fanitsakitsahana ny hasin’ny fitsarana tsotra izao ny fihetsik’ireto depiote roa ireto ka tsy azo ekena raha ny hevitry ny holafitry ny Vadintany sy ny Mpanao Lavanty eto Madagasikara. “Tsy anjaran’ny anjara asan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara no milaza eny amin’ny haino aman-jery, hiantso vahoaka hikomy sy hakahala ary hilaza fa tsy manara-dalàna ny Vadintany iray amin’ny fanaovana ny asan, izay hananany porofo mazava . . .; Tsy asan’ny solombavambahoaka no milaza fa ara-dalàna na tsy ara-dalàna ny didim-pitsarana avoakan’ny fitsarana eto Madagasikara. Fahefana samihafa voalazan’ny lalàmpanorenana malagasy ireo ary tsy zony no milaza fa diso ny nataon’ny mpitsara mpamoaka didy”, hoy ny holafitry ny Vadintany sy ny Mpanao Lavanty, tao anatin’ny fanambarana nataony, omaly. Ankaotra izay, nilaza ny holafitra fa fanalambaraka ampahibemaso ny filazana fa nahazo volabe dia tsy nanaraka paika ny mpiasan’ny fitsarana. Tsy asan’ny solombavambahoaka ihany koa ny manohana didim-pitsarana iray sy mandrava ny fanatanterahana ny efa vita, ka hemerina indray ny olona efa voaroaka ao amin’ny toerana iray efa nialany. Mazava araka izany fa tsy mankasitraka ny fihetsika nataon’ny depiote Naivo Raholdina sy Aina Rafenomanantsoa ny holafitry ny Vadintany ka maniry izy ny hanasasiana ireto olom-boafidy roa ireto satria manivahiva sy manitsakitsaka ny hasin’ny fitsarana ampahibemaso.

F.Tsihiavonana

Lire aussi