Publié le 08 juin 2020
Mitombo hatrany ny isan’ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto Madagasikara. Miitatra hatrany koa ny faritra ahitana olona mitondra an’io aretina io ankehitriny. Ifanilihana andraikitra na itsikerana ny mpitondra fanjakana avokoa izany, raha ny olona tsy afaka mijery amin’ny maso tsy miangatra no miresaka. Tsy misy milaza fa tonga lafatra ny fomba fiasan’ny fitondram-panjakana, ary tena ekena fa misy tokoa ireo endri-javatra ahitana taratra fa tsy ampy ny fampiharana ny fepetra araka ny tokony ho izy. Na izany na tsy izany koa anefa, efa nambaranay teto hatrany fa na ny fitondrana Rajoelina no mitana ny fahefam-panjakana eto na olona hafa dia iantsorohana andraikitra amin’ny fiarovan-tena tsy handairan’io aretina io ny olom-pirenena tsirairay. Voafatotra adidy ho tsy mantsy manaja ny fepetra isorohana ny tsy hiparitahan’izy io amin’ny ankohonany sy ny manodidina azy ny tsirairay. Isika tsy miditra amin’ny resaka hoe “sahirana ara-pivelomana ny olona” satria matetika dia zary lasa anomezana rariny ny olona sahirana tsy hiraharaha na tsy hanome lanja ny fepetra takian’ny fiarovana ny aretina tsy hiditra ao amin’ny tena ny fahasahiranany. Aoka koa tsy hodisoina fa misy amin’ny sokajin’olona eny anivon’ny fiaraha-monina eny no tsy sahirana mihitsy fa dia tsy mivaky loha na tena manao rainazy, be di-doha. Marina fa tsy ny rehetra no manao an’izany saingy tonga amin’ilay fitenenana hoe “fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka”. Efa nanaovanay lahatsoratra teto mantsy fa niainga tamin’ny olona iray sy roa avokoa ange no voan’io aretina io tany ampita tany nefa dia ireny nitarika fahafatesan’olona an’hetsiny ireny e!
Mitaona ny fitondram-panjakana izahay hanenjana ny fampiharana ny fepetra fa manahirana. Ny di-dohan’ny olona sasany, ny tsy fivakisan-dohan’ny olom-bitsy, no amoizan’ny maro aina na mahatonga ny betsaka ho tratry ny aretina. Aleo henjanina ny fampiharana ny fepetra, indrindra any amin’ireo faritra be mponina, ka tsy ny andalambe ihany fa hatrany anelakelan-trano rehetra any mihitsy. Takiana amin’izany koa anefa ny tsy hanararaotan’ny mpitandro ny filaminana sasany na ny tompon’andraikitra sasany ny fahefana eo aminy fa mahatonga ny ankapoben’ny mpitondra ny filaminana na ny ankapoben’ny tompon’andraikitra ho tsy to-teny na tsy raharahian’ny olona sasany. Ny olom-pirenena tsotra dia hita fa efa misy ny mifampiteny, tsy mifampisorona, fa anaovan’ny olona sasany valin-teny boribory na hanihaniany na rabirabiany indray aza. Tsy manana fahefana haninona azy mantsy ny olom-pirenena tsotra. Izahay dia resy lahatra fa raha misy ny fahafaha-manao amin’ny fitiliana ankapobeny dia ny antsasaky ny mponina eto Antananarivo sy any Toamasina, ahiana ho efa mitondra an’io aretina io avokoa, ka ny fomba faran’ny haingana nefa tena azo antoka fa hahomby hisakanana ny tsy hiparitahan’izany na tsy hitomboan’izany intsony dia ny fanenjanana ny fampiharana ny fepetra. Aoka tsy hasiana hena-maso na fihetseham-po re ry Mpitondra fanjakana fa matoa nambara hoe fepetra na fitsipika no ampiharina dia tsy fiangaviana izany fa didy an! Noho izany, fantatra fa manana ny fomba rehetra sy ny olona ilaina mbamin’ny fitaovana hampanjariana izany fanenjanana ny fampiharana ny fepetra izany ny fitondram-panjakana ka raiso re ny andraikitrareo fa aina ity, hoy Rainimanonja!
Rainisoa