La Gazette de la grande ile

Jirama amin’ny 2028 : Izao ny vahoaka no mijaly herin’aratra

Publié le 03 décembre 2022

Ivon’ny resaky ny maro hatrany ity olan’ny Jirama sy ny famatsiana herin’aratra ho an’ny vahoaka ity. Azo antoka fa na tafakatra 20%-n’ny malagasy aza izao no misitraka herin’aratra dia tsy azo tsinontsinoavina ireo na hambaniana ka hoe « izay 20% ve haninona ? »

Mampifandray avy hatrany ny fitanisan’ny filohampirenena an’ireo tetik’asa fananganana fotodrafitrasa mpamokatra herin’aratra izany. Nandritra ny lanonam-pitokanana ny foibe famokarana herin’aratra eny Farahantsana ny alakamisy teo tokoa mantsy no nitanisan’ny filohampirenena an’ireo tetik’asa famokarana herin’aratra hirosoana. Saika efa vita sonia miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka avokoa, hoy ny filohampirenena, ireo tetik’asa ireo, toy ny Sahofika, izay iarahana amin’i Frantsa, vita sonia ny 15 novambra 2021, ary heverina hamokatra herin’aratra 192Mw. Eo koa ny tohodranon’i Ranomafana ka afaka telo taona sy tapany dia hamokatra herin’aratra 64 Mw. Nolazainy koa ny tetik’asa Mandraka 3 sy Volobe izay hanome herin’aratra 120 Mw, ary ny eny Antetezambato izay hamokatra 140Mw., sy ny sisa.

Tsy notanisainy ny famokarana herin’aratra ho azo avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny rivotra, izay maro ny mieritreritra hanao azy.

Tsara avokoa izany, Atoa Filoha, ary mahavelom-bolo satria ho avy mamiratra no andrandrain’ny malagasy izany afaka 5 taona.

Na inona na ahoana koa anefa dia mijaly ny vahoaka izao, na 20% ihany aza. Midangana ny saran’ny faktioran’ny Jirama ary tsy misitraka ny herin’aratra araka ny tokony ho izy, amin’ny maha-mpanjifa azy ny vahoaka, fa ianjadian’ny fahatapatapahan’ny herin’aratra na delestazy.

Tsy ny vahoaka no tokony hitarainan’ny fanjakana na ny Jirama amin’ny fahasahiranany sy ny sakantsakana eo ampamokarana herin’aratra, fa tonga amin’ilay fitenenana hoe « atrehi-mahavita, iamboho-mahefa » ianareo amin’ny raharaham-bahoaka nanoloranareo tena ka vahao miaraka amin’ny vava ny olana mianjady amin’ny vahoaka fa izao izy aloha no ianjadiam-pahasahiranana. Izany amin’ny 2028 izany, mety efa maty ny sasany, mety ny vahiny sisa hisitraka ny tombontsoa eto raha mitohy izao fanjakazakan’ny vahiny eto izao.

Vahao haingana ny fahasahiranam-bahoaka fa inona fotsiny no anaramana anareo ? Inona no iantohan’ny vahoaka ny filanareo rehetra, manomboka amin’ny fiarakodia, ny trano fonenana, ny mpiasa isan-tokony, na ao an-tokantranonareo na ny ao amin’ny orin’asa na ny mpiasampanjakana. Tsy misy zavatra ilainareo tompon’andraikitra ireo ka tsy zakain’ny vahoaka. Ny vahoaka no miongo-bolo amin’ny fanomezana fahafaham-po anareo mba hahavitanareo an-tsakany sy an-davany ny asa nanoloranareo tena sy nifanarahanareo tamin’ny vahoaka. Ny ankoatra izay, aza miteny fa manaja tena.

La Gazette

Lire aussi