La Gazette de la grande ile

Vaovaon’ny Covid-19 : Mba hajao ihany ny haino aman-jery !

Publié le 10 octobre 2020

Efa ho fito volana izao no voatery mandefa ny fampitàna mivantana ny vaovao momban’ny Coronavirus miainga avy amin’ny CCO/Covid-19 eny Ivato ny haino aman-jery rehetra eran’ny Nosy. Marihana hatrany fa azon’ny fitondrana atao tsara ny manao “réquisition” ireo haino aman-jery tsy miankina satria ao anatin’ny fahamehana ara-pasahalamana ny firenena. Raha natao tamin’ny ora atoandro ny fanomezana ny vaovao, tany amboalohany, dia tsy fantatra intsony ankehitriny ny tena ora marina handefasana izany ka na ireo olom-pirenena mbola mba te hanaraka ny fivoaran’ny valan’aretina aza lasa tsy liana intsony. Rehefa tsy maintsy hatao ihany ny “requisition” amin’ny fanomezana ny vaovaon’ny Covid-19, dia farafaharatsiny mba tokony hajaina ireo haino aman-jery tsy miankina voatery mandefa izany. Fanajana voalohany indrindra ny fametrahana ora mazava amin’ny fampitàna ny vaovao satria raha ny zavatra hita aloha dia ny sitrapon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny CCO/Covid-19 no arahina. Tsy fantatra intsony hoe amin’ny firy no miainga ny fampitàna ny fivoaran’ny tarehimarika amin’ny tolankandro fa amin’ny ora rehetra dia voatery tsy maintsy mandefa izany ny haino aman-jery tsy miankina rehetra, ary tsy ny eto Antananarivo ihany fa manerana ny Nosy. Misy fotoana aza moa efa amin’ny 3 ora tolakandro vao mandeha ny fanomezam-baovao raha tokony ho amin’ny iray ora. Mampikorontana ny fandaharana amin’ireo haino aman-jery anefa izany toe-javatra izany ka tokony ho jeren’ny tompon’andraikitra akaiky. Raha ny fahafantarana azy dia ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina no tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny CCO/Covid-19 eny Ivato, ka tokony ho fantany tsara izany olan’ny sedrain’ny haino aman-jery izany satria manana onjam-peo ny tenany. Raha ny tena marina aza dia tsy tokony ho terena handefa an’io fivoaran’ny tarehimarika momba ny Coronavirus io intsony ny haino aman-jery tsy miankina fa alefa amin’ny TVM sy ny RNM sisa. Efa ny ampahany vitsy amin’ny Malagasy sisa mantsy no manaraka ny tatitra omen’ny profesora Vololontiana Hanta Marie, isaky ny atoandro, ka rariny sy hitsiny angamba raha tsy hanaovana “réquisition” intsony ny haino aman-jery tsy miankina rehetra.

F.Tsihiavonana

Lire aussi