Publié le 21 mars 2022
86 no isan’ny fokontany iadiadian’ny Ben’ny Tanàna Randriantahiana Monja Marc, ao amin’ny Kaominina Bekitro, anatin’ny distrikan’i Bekily ao amin’ny faritra Androy. Ahiana ny mety hihenan’ny mpifidy hatrany amin’ny fifidianana ho avy, hoy ny akom-baovao avy any an-toerana, ary tsy nolavin’ny ben’ny tanàna izany raha nanontaniana izy. Ny antony dia satria misedra olana ity kaominina ity amin’ny tsy fandriampahalemana, amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana toy ny vary vidiana hatramin’ny 800 ariary ny kapoaka.
Raha ny akom-baovao ka nahazoana tarehi-marika dia 62% ny tahan’ireo mpifidy tany an-toerana tamin’ny fifidianana filohampirenena ny taona 2018. Amin’izao fotoana dia mahatsiaro ho kamboty fa tsy mba voajerin’ny fitondram-panjakana ny mponina, na isan’ny voa mafy noho ny kere na ny akon’ny andro ratsy taty aoriana na ny takaitran’ny fihibohana noho ny aretina Covid 19. Nampanantena ny Ben’ny Tanàna Randriantahiana Monja Marc fa hanao ny ezaka hampandany ny filohampirenena ankehitriny amin’ny fifidianana 2023.
Raha ny akom-baovao avy any an-toerana dia maro ny fotodrafitrasa efa vitan’ny Ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy nandritra ny herintaona sy tapany nitantanany ity kaominina ity. Isan’izany ny sekoly manara-penitra , tranompokonolona vaovao, toerana filalavam-baolina ho an’ny tanora, tao koa ny nametahana ny takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro manazava ny lalana. Ary tsy nohadinoin’ny mponina ny naneho fankasitrahana ireo mpiara miombon’antoka ka nahafahany nanatanteraka ny filan’ny tanàna sy ny fokonolona miara-dia.
Etsy andaniny, mitondra ny fitarainany koa ny mponina noho ny faharatsian-dalana izay tsy ahafahan’ny vokatra mifamezivezy na mivoaka na miditra, dia ny ao Andoloboro ahitana lalana mirefy 15km. Anisan’ny faritra nandalovan’ny rido-doza Emnati ny faritra Androy ka tafiditra tao anatin’ny nihara-boina ity kaominina ity. Ny fiatraikan’izany dia vidiana amin’ny 800 ariary ny kapoakan’ ny vary ary tsy mbola nisitraka fanampiana toy ny vary tsinjo ny kaominina Bekitro. Mitaraina ny mponina any an-toerana satria dia mihalafo ny vidim-piainana any, ary mahatsiaro ho kamboty velon-dray amandreny ny any an-toerana.
Soarak