Raharaha Claudine: Ho sahy hitokona ve ny SMM ?
Efa herinandro mahery izao no nitsoaka atsy amin’ny Nosy Maorisy i Claudine Razaimamonjy izay nampian’ny minisitra ny Fitsarana sy ny minisitra ny Fahasalamam-bahoaka. Na dia efa nivoaka ny hôpitaly Fortis Darnée ao Curepipe atsy Maorisy aza ity mpandraharaha ity, tamin’ny alarobia teo, dia mbola tsy niverina eto Madagasikara hatramin’ny omaly alina kanefa tokony higadra vonjy maika eny amin’ny fonjan’Antanimora, araka ny didy navaokan’ny CPAC (Chaine Pénale Anti-Corruption). Izany toe-javatra izany no manaporofo ny resaka ny olom-pirenena, ny fikambanana firaisa-monim-pirenena ary ny sendika maro samihafa izay milaza fa nampandosirina any ampitan-dranomasina i Claudine Razaimamonjy fa tetika maloton’ny fitondrana fotsiny ny hoe nalefa notsaboina noho ny toe-pahasalamany. Tao anatin’ny roa herinandro nitrangan’ity raharaha ity dia intelo miatoana no nanao fanambarana ny SMM na ny Sendikan’ireo mpitsara eto Madagasikara. Ny voalohany, tamin’ny alakamisy faha 7 ny volana aprily lasa teo, tao aorian’ny valan-dresaka nataon’ny minisitra ny Fitsarana Charles Andriamiseza, teny Faravohitra. Ny fanambarana faharoa, tamin’ny alatsinainy 10 aprily, rehefa nidina tetsy amin’ny hôpitaly HJRA ireo lohandohan’ny mpitarika ny sendika izay notarihin’ny filohany, Faniry Ernaivo. Ny fahatelo sady farany, ny zoma 15 aprily, fanambarana izay niarahan’izy ireo tamin’ireo sendika hafa izay mivondrona ao anatin’ny SSM (Solidarité Syndicale de Madagascar). Raha fehezina dia zavatra tsotra no takian’ny SMM tao anatin’ireo fanambarana telo ireo dia ny tokony hanajàna ny tany tan-dalàna, ny fanajàna ireo lalàna velona rehetra eto amin’ny firenena, ny tsy hitsabatsabahan’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny raharahan’ny fitsarana, ary ny fampodiana an’i Claudine Razaimamonjy eto an-tanindrazana. Tsy fantatra moa hoe rahoviana indray no hanao fanambarana manaraka mikasika ity raharaha Claudine ity ihany ny sendikan’ny mpitsara. Ny azo antoka aloha hatreto dia tsy misy iraharahian’ny fitondrana ny fitakiana ataon’izy ireo satria mbola mialokaloka atsy amin’ny Nosy Maorisy ny voampanga hatreto. Manoloana izany indrindra dia mipetraka ny fanontaniana ankehitriny: ho tonga hatraiza izay fitakiana ataon’ny SMM raha toa ka mbola miziriziry tsy hampody an’i Claudine Razaimamonjy ny fanjakana Malagasy ? Ny zavatra hita mantsy hatreto dia mieritreritra ny hanatanteraka ny fitakian’ireo mpitsara sy ireo sendika maro ny mpitondra.
Ny antony dia efa hiarahan’ny rehetra mahalala fa mpikambana ao anatin’ny antoko HVM ny voampanga no sady anisan’ireo namatsy vola be tsy toko tsy forohina an’i Hery Rajaonarimampianina, tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena. Ho sanatria ve ka hangina tsy hisoka-bava intsony ireo lohandohan’ny mpitarika ny SMM, tahaka ny nataon’ireo sendika hafa efa nanao fitakiana tao anatin’izay 3 taona mahery nitondran’i Hery Rajaonarimampianina izay. Marihana fa sendika manana ny maha izy azy ary tafiditra ao anatin’ireo antsoina hoe “Grand Corps de l’Etat” ny sendikan’ny mpitsara eto amintsika ka tsy azo ampitoviana amin’ireo sendika hafa izay azo ambara fa madinika ary mora voavidy vola. Amin’ny maha sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony azy izay dia heverina fa manana ny etika sy ny deontôlôjia ny SMM ka hijoro amin’ny heviny na ny fitakiany hatramin’ny farany. Misy amin’ireo olom-pirenena manaraka akaiky ny raharaham-pirenena moa no mihevitra fa fepetra iray azon’ireo mpitsara raisina ny firosoana amin’ny fitokonana raha toa ka miziriziry amin’ny heviny tsy hampody an’i Claudine Razaimamonjy ny fitondrana. Tsy vaovao akory izany fa fepetra efa noraisin’ny SMM tamin’ny volana desambra tamin’ny taona 2011 rehefa maty novonoin’ny pôlisy ny mpitsara Rehavana Michel, tany Toliara. Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny dia ny hoe mbola hiroso amin’izay lalana efa nizorany tany aloha izay ve ny sendikan’ny mpitsara sa tsia amin’ity raharaha Claudine ity sa tsia ? Hiarahan’ny rehetra mahita eo moa ny ho tohin’ny tantara.
F.Tsihiavonana
Commentaires
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.