La Gazette de la grande ile

Antananarivo : mihamafy sahady ny fitohanan’ny fiara

Publié le 03 décembre 2022

Toy ny isan-taona dia mitombo ny fitohanan’ny fiara eto Andrenivohitra rehefa volana desambra tahaka izao. Tsy misy toerana aleha ka tsy ahitàna izany, indrindra fa amin’ny fotoana firavan’ny mpianatra sy ny mpiasa. Rehefa manakaiky ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona no matetika mampiteny ny moana ny fitohanan’ny fiara, saingy tamin’ity indray mitoraka ity kosa, vao manomboka ny volana dia efa mikaikaiky daholo ny mpampiasa sy ny mpandeha fiara. Maromaro moa ny antony mahatonga izany, eo ny fitomboan’ny isan’ny fiara mivezivezy eto Andrenivohita, fa eo koa ny fahasimban’ny lalàna izay tsy voakojakojan’ny kaominina sy ny Fanjakana, ary fanovàna ny zotran-dalana eny Ambohijatovo sy Analakely izay nataon’i Naina varira. Amin’izao fotoana mantsy vao tena hita fa tena miteraka fitohanana be eny amin’iny faritra Anosy sy ny manodidina iny io fanovana zotran-dalana napetraky ny kaominina io.

F. Tsihiavonana

Lire aussi