Publié le 11 juin 2020

Nandritry ny naha ben’ny tanàna an’i Lalao Ravalomanana teto Antananarivo renivohitra ny taona 2014-2018, dia marobe ny fandikan-dalàna nataon’ity ramatoa ity tao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Iray lehibe amin’izany ny fampirisihana ny olona hanorina trano tsy ara-dalàna teto Antananarivo. Niarahana nahita ny trano madinika izay naoriny tetsy sy teroa mba hahazoany maka vola amin’ireny olona ireny. Ny vola azo tamin’izany nefa dia tsy tafiditra akory any anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina ny ankamaroany.
Niarahana nahita ny fanorenana trano teny amin’ny sisin-dàlana malalaka toa ny teny amin’ny Paraky eny Soanierana izay toerana fiantsonan’ny taxi-be. Ny manodidina an’Analakely sy Behoririka dia feno trano madinidinika natao fivarotana avokoa raha vao misy ahitana roa metatra raha kely indrindra ny sakany. Misy mihitsy aza no naorina teo ampovoan’ny arabe ireny trano fivarotana atao tsena ireny, toa ny nitranga teo Soarano.
Raha ny fandravana lehibe indrindra voalohany nisy tamin’ny fandikan-dalàna nataon’i Lalao Ravalomanana sy ny TIM tao amin’ny fitantanana ny kaominina Antananarivo ity dia tsy hay tenenina intsony. Tsy tenenina intsony ny tranon’olona tsotra etsy sy eroa. Hatramin’ny Esplanade ao Analakely no nasiana « Pavillon » na tranon-tsena vaovao indray tamin’ny fotoana 2014-2018 izay nitondran’ity ramatoa ity ny tananan’Antananarivo. Toerana izay manana tantara manokana amin’ny vakoka malagasy satria dia io toerana io no nitondra ny anarana hoe « Tsenan’ Anjoma » izay tsena lehibe indrindra sy an-kalamanjana nampalaza an’Antananarivo naneran-tany.
Raha ny maha vakoka ity toerana ity no jeren-tsika dia tsy tokony hanorenana trano-tsena toa io nanaovana azy io io toerana io. Tantaram-pirenena no nisy teo amin’io toerana io toa ny fananana ny rova eny Manjakamiadana, nefa dia nataon’i ramatoa Lalao Ravalomanana fivarotana. Toerana malalaka natao himpiratiana ny vakoka malagasy teo amin’io toerana io taorian’ny naha fivarotana andevo azy tamin’ny andron’ny faha mpanjaka. Tao Antaninarenina no nisy izany voalohany dia navadika tao Analakely Anjoma io.
Nahazo toerana teo ny raokandro malagasy tao anatin’ny taona maro. Teo amin’ity toerana ity koa no nanaovana fampiratiana maro isan-karazany ny fomba sy ny soatoavina Malagasy. Nisy irony antsoina hoe “podium” irony rehefa misy fety.
Indrisy nefa fa natakalon’i ramatoa Lalao Ravalomanana vola izany ka trano hivarotana indray no napetrany teo. Dia io iarahan-tsika mahita io izy ankehitriny.
Volabe no nalaina tamin’ny mpivarotra izay nomena ireo tsena ireo araka ny loharanom-baovao. Hatramin’izao nefa dia tsy misy fantatra avokoa izay nanjavonan’izany vola izany. Fantatra fa olona vitsy tamin’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra notarihan’i ramatoa Lalao Ravalomanana no nahazo tombotsoa tamin’izany vola izany.
Raha tonga teo amin’ny fitondrana ingahy Naina Andriantsitohaina izay ben’ny tananàn’Antananarivo amin’izao fotoana izao dia nilaza fa fanao fanadihadiana manokana mahakasika ny fanorenana trano tsy ara-dalàna nataon’ny ben’ny tanàna teo alohany ramatoa Lalao Ravalomanana ity. Hatramin’izao nefa dia mbola tsy nisy ny filazana nataony mahakasika izany. Sa ve efa nisy indray ny resaka nifanaovan’ny roa tonta tany ambadika tany?
Mifono kolikoly lalina sy fanorenana tsena maro eto Antananarivo renivohitra io. Soa ihany aza fa tsy lany fanindroany ny TIM fa raha izy no tonga teo dia lasa tsena daholo hatrany ambony lalàna rehetra eto Antananarivo. Natao trano fivarotana avokoa ny toerana rehetra.
Tsy mahagaga moa raha toa ka fandikan-dalàna toa izao no nataon’i Lalao Ravalomanana satria ny hevitry ny vadiny Marc Ravalomanana ihany no entiny . Ravalomanana Marc no mpanolotsaina azy koa araka ny voalazany.
Ny fitiavam-bola izay nisy teo amin’i Lalao Ravalomanana sy ny mpomba azy tao amin’ny kaominina no fototr’izao fandravana tsena izao. Fahavoazana tsy roa aman-tany ny olona nividy sy nanamboatra ireny trano ireny. Potika tao anatin’ny iray minitra ny fananana. Voafitaky Ravalomanana Lalao sy ny mpitondra ny kaominina teo aloha. Nampanorenany tsena eny amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Nasainy nandika lalàna koa dia tafaroboka. Tompon’andraikitra tanteraka amin’izao fandravana tsena izao ny TIM sy ramatoa Lalao Ravalomanana izay nampanorina ireo tsena ireo. Nampiditra kizo ny mpiara-belona aminy ary tsy niraharaha raha tsy ny vola koa. Ny tombotsoa ny vahoakan’Antananarivo sy ny hasiny no natakalon’ny TIM sy Lalao Ravalomanana ny fitiavam-bola diso tafahoatra teo aminy. Izany no mpanao politika Malagasy ankehitriny.
Tokony handinika sy ho tonga saina ny vahoaka amin’ity raharaha ity satria dia efa misy mamadika azy politika indray ny raharaha ankehitriny.
Jesy Rabelaolao