Publié le 10 octobre 2020
Olana iray tsy mampihodina ara-dalàna ny asam-panjakana ny fivangongoan’ny mpiasampanjakana amin’ny renivohitra sy tanàn-dehibe. Raha tiana izany ny hampahomby ny asam-panjakana dia tokony hojerena ny fanapariahana an’ireo mpiasampanjakana ireo any amin’ny faritra rehetra, any amin’ny distrika rehetra, any amin’ny kaomina rehetra, eny any anivon’ny fokontany mihitsy aza.
Raha ny marina dia tokony hiara-miasa akaiky ny mpiasampanjakana sy ny olom-boafidy any anivon’ny fiaraha-monina isan’ambaratonga any. Indraindray anefa, na matetika, dia mifanome lamosina ny mpiasampanjakana sy ny olom-boafidy satria samy mieritreritra hoe “iza no ambanin’io?”, “iza no baikoin’io?”
Ny mpiasampanjakana dia tokony ho maro rantsana satria ny ministera isan-tokony aty amin’ny foibe dia tokony hanana mpiasampanjakana eo anivon’ny ministera hatrany amin’ny kaomina na fokontany (mpampianatra, mpitsabo, mpitandro ny filaminana, mpiasan’ny fambolena, mpiasan’ny fiompiana, mpiasan’ny fitantanam-bola, mpiasan’ny tontolo iainana, sy ny maro tsy ho voatanisa e!)
Teknisiana ny ankamaroan’izy ireny satria manana ny fahaizany manokana amin’ny asa sahaniny, ka tokony hifanome tanana amin’ny vahoaka, dia mifanao tan-tsoroka amin’ny olom-boafidy.
Tany amin’ny Repoblika faharoa tany no nahitana ny fanombohan’ny tsy fitovian-kevitra loatra matetika teo amin’ny mpiasampanjakana na ny teknisiana, amin’ny olom-boafidy. Ny fahita aloha dia nihevi-tena ho filohampirenena tany amin’ny misy azy tany ny filohan’ny fivondronana (Presicomex) ka mibaikobaiko ny teknisiana sy ny mpiasampanjakana. Raha ny marina, miara-miasa ireo ary ny filohan’ny fivondronana na ny filohan’ny firaisana (ben’ny tanàna amin’izao fotoana) no tokony ho lehibeny ao an-toerana, saingy ny fanambonian-tena sy ny fanamparam-pahefan’ny olom-boafidy indraindray no tsy manome risi-po ny mpiasampanjakana ka mahatonga ny fifanomezan-damosina. Ny olom-boafidy sasany koa, indraindray, tratry ny fiheveran-tena ho ambany (complexe d’inferieurité) eo amin’ny fahaizana ka avy hatrany dia manome lamosina ny mpiasampanjakana, satria hoe “manam-pahaizana” (Injenieran’ny fambolena na mpampianatra na mpitsabo…°)
Fa isan’ny olana goavana nianjady tamin’ny fiainam-piaraha-monina ankapobeny koa, indrindra ny any amin’ny faritra lavitry ny renivohitra sy ny tanàn-dehibe, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, ny tsy fisian’ny lalana, ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa hipetrahana, toy ny trano fonenana… Ny mpiasampanjakana alefa miasa any amin’ireny faritra lavitry ny tanàn-dehibe ireny no matetika tsy tamana. Nahoana kosa moa ka handeha haka ny vola karamany any amin’ny renivohitry ny distrika izy, ohatra, nefa handeha an-tongotra mandritra ny ora 10 na indray mandro maninjitra, noho ny tsy fisian’ny lalana. Eny andalana koa dia voatafiky ny olon-dratsy noho ny faharefoan’ny fandriampahalemana. Any amin’ny toerana iasany izy, na ny trano onenany na ny fiahiana ny fahasalamany sy ny vady aman-janany, na ny fianaran’ny zanany, dia sadasada sy tsy lavorary avokoa. Malaina hiasa any ny mpiasampanjakana, na mpampianatra na mpitsabo na mpitandro ny filaminana na mpiasam-panjakana hafa (asa vaventy, teknisian’ny fambolena sy ny fiompiana…)
Amin’izao fotoana àry dia nandray fepetra ny fitondram-panjakana ka ny filohampirenena Rajoelina mihitsy no nanambara tany Taolagnaro tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity fa hokarakaraina ny filana fototra any ambanivohitra rehetra any mba hisarihana ny mpiasampanjakana handeha hiasa any sy hijanona amin’ny asany any ary hanana risi-po eo ampanatanterahana ny asany. Isan’izany ny ho fikarakarana ny trano fonenany, ny fametrahana antoka amin’ny fiahiana ny fahasalamany sy ny fitsaboa-nify. Hatramin’ny ho fanomezana tombon-dahiny herin-taona mialoha eo amin’ny fisondrotana (advancement) raha manaiky hiasa any ambanivohitra ireny mpiasampanjakana ireny no nambaran’ny filoha Rajoelina fa hirosoana.
Goavana izany fanambin’ny filoha izany fa goavana lavitra noho izany ny fiantohana izany rehetra izany (fiahiam-pahasalamana hary fomba, fampianarana tsy misy olana, fandriampahalemana azo tsapain-tanana, rano fisotro madio, herin’aratra, lalana, fotodrafitrasa ara-panatanjahantena, toerana fialamboly….)° ho an’ny vahoaka rehetra. Tafiditra ao ny mpiasampanjakana miasa ao amin’ilay toaerana. Marobe ny fikarakarana ny vahoaka izay mitambesatra eo antsoroky ny mpitondra fanjakana. Ny mpiasampanjakana koa tsy hanararao-pahefana amin’ny any ambanivohitra ka hametsifetsy na hanambaka ny madinika. Izany rehetra izany no fiovana mampangetaheta ny ambanilanitra. Tokony ho vitantsika ny mampivaingana izany ary tsy voatery hanjana-bola amin’ny Banky Mondialy sy ny mpampanjana-bola iraisampirenena isika amin’izany fa miantehitra amin’ny harenan’ny firenentsika izay nomen-janahary antsika sy ny herin’ny vahoaka Malagasy.
Ralay