La Gazette de la grande ile

Volamena niondrana antsokosoko : An-taoniny maro fa tsy 25, 5 Kilao fotsiny

Publié le 10 octobre 2020

Isan’ny teboka noresahina teo anivon’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia ny hoe “haverina eto Madagasikara ny volamena milanja 25,5 kilao, naondrana antsokosoko tatsy amin’ny Nosy Maorisy”. Hatomboka, hoy ny akon’io fivorian’ny filankevitry ny minisitra io, ny dinika ara-diplaomatika amin’ny manam-pahefana ara-panjakana atsy amin’ny Nosy Maorisy mba hamerenana an’io volamena io. Volamena izay niondrana ny fiandohan’ny taona 2019. Isan’ny voalaza tamin’io fivorian’ny filankevitry ny minisitra Malagasy io koa ny hoe “efa nisy ny didim-pitsarana nivoaka teto Madagasikara ny tokony hamerenana ireo entana ireo aty amintsika sy ny lamandy ary ny sazy mihatra amin’ireo izay nanao izany fanondranana antsokosoko izany.”

Zava-dehibe izany satria ny nahavanon-keloka dia tsy maintsy ampiharana ny lalàna velona mba ho anatry ny sisa, hoy ny fitenenana, ary mba hanomezana lanja izany antsoina hoe “tany tan-dalàna” izany. Tsy ampy mantsy ny hoe “giazina ny entana tratra tamin’ny raharahan-keloka” fa tsy maintsy ampizakaina ny sazy mifanandrify amin’izany, araka ny voalazan’ny lalàna koa izy ireny.

Zava-dehibe koa ilay finiavan’ny fitondram-panjakana mikatsaka ny vahaolana hahafahan’ny firenena miarin-doha. Isan’izany ny hoe “hametrahana io volamena 25, 5 Kilao io ao amin’ny Banky Foiben’ny Repoblika Malagasy refefa tafaverina eto”.

Ny tsy maintsy tsindriana koa anefa amin’ity fiarovana ny harem-pirenena ity dia ny tsy maintsy ametrahana fepetra hentitra amin’ireo mpiasampanjakana mpanara-maso ny fivoahan’ny harena toa ireny an-tsokosoko eny amin’ny sisi-tany.

Raha itodihana aloha ny raharaha dia tsy io volamena 25, 5 Kilao io ihany ny volamena niondrana antsokosoko teto. Io no tratra. Ny nahatrarana an’io aza dia azo antoka fa tsy hoe noho ny hakingan’ny tompon’andraikitra ara-panjakana eny amin’ny sisin-tany loatra fa ny mety ho fivadihan’ny sasany tamin’ireo mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpanondrana ka nitoroka izany tamin’ny manam-pahefana.

Aza hadinoina fa matetika, matoa misy fanondranana harem-pirenena antsokosoko toa izao tratran’ny tompon’andraikitra Malagasy dia matetika ny fifanolanana eo amin’ny mpiray tsikombakomba no ivoahan’ny resaka.

Tsy fanafokana na fanomezana tsiny na iza na iza izany fa ny tian-kamba dia matoa mitranga na mahomby ny fivoahan’ny harena iray amin’ny endriny antsokosoko dia efa milamina mialoha ny tambajotra amin’ny dingana rehetra, indrindra ny eny amin’ny sisi-tany. Efa an-taoniny ange ny volamena nanaovana izany teto, ary na teratany Malagasy (matetika manam-pahefana ara-panjakana ambony na havany akaiky) na vahiny toy ny karana dia samy efa nahavita be ny amin’izany avokoa e!

Noho izany, isan’ny tokony hamafisina izany ny fanaraha-maso ny sisitany. Tsy voatery hanafarana vondrom-barotra (société) avy any ivelany ny misahana izany ka ny vahoaka Malagasy indray no handoa volabe ho karaman’ireny vondrom-barotra avy any ivelany ireny.

Ataovy ny fandraisana mpiasa matihanina eo anivon’ny fanjakana hisahana an’izy ireny dia hofano, omeo fitaovana hary fomba, omeo ny antoka rehetra hananany risi-po mba hampahomby ny vokatra tian-kotratrarina izy.

Raha mbola ampitoviana amin’ny mpiasampanjakana tsotra izay mora hampilendalendaina amin’ny mena miraviravy ihany ny tompon’andraikitra misahana ny raharaha mahabe fakam-panahy toy ny eny amin’ny sisin-tany dia mbola ho lavitry ny afo ny kitay eo amin’ny fampahombiazana ny raharaha e!

Rainisoa

Lire aussi