La Gazette de la grande ile

Vidim-piainana : Mila vahaolana haingana

Publié le 28 octobre 2020

Efa tandindon’ny ho fidirana amin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra na fotoam-pahavaratra ve sa noho ny maha-akaiky ny fetin’ny faran’ny taona dia manararaotra ny sasany eo amin’ny vidin-javatra? Mety ho samy marina ireo, ary ny antony hafa koa tsy ferana, toy ny fitotongan’ny sandam-bola Malagasy tsy misy fihafarany sy ny fiakatry ny vidin’entana eo amin’ny tsena iraisampirenena.

Na inona aloha na inona antony dia iantsorohan’andraikitra hikatsaka izay hanalefahana ny vaikan’izany any amin’ny vahoaka ny fanjakana. Tsy afaka hihalangalana ny fanjakana ny amin’ny hoe “efa mampihatra ny lalànan’ny tsena isika ka ny tolotra sy tinady no mibaiko an’izany”. Marina fa tsy afaka ny mametra ny vidin-javatra ny fanjakana satria nisafidy ny sori-dalan’ny fanalalahana, saingy tsy afaka ny hijery fotsiny ny loza mety hanjo ny vahoaka ianareo.

Mbola manamafy ny hevitra efa nohazavainay teto momba ny hoe “manjifa ny vokatra sy ny vita Malagasy isika” izahay eto.

Voalohany indrindra dia tsy maintsy voafaritra ny antsoina hoe “mpanjifa”. Ny antony dia tratry ny tian-kano tsy tian-kano ny mpanjifa eo amin’ny vidim-piainana. Tsy afaka misafidy akory. Ambany dia ambany mantsy ny fahafaha-mividin’ny maro an’isa amintsika Malagasy ka izay mora no tsy maintsy jifainy, na tsara iny na ratsy. Mety hifanohitra amin’ny foto-dresaka hoe “fidangan’ny vidim-piainana” isika amin’io. Tsia, mifanojo mihitsy. Ny menaka fihinana izao, na manakory fahafaha-mividin’ny isan-tokonambaravarana na manakory dia tsy misy latsaky ny 6.000 ariary. Toraka izany koa ny zavatra hafa.

Hitohy io raha ny tombantomban’ny mpandraharaha sasany satria arakaraky ny idirantsika amin’ny fotoam-pahavaratra sy ny fetin’ny faran’ny taona no mampiakatra ny vidin’entana, ary manampy trotraka an’izany, araka ny voafaritra ery aloha , ny fitotonganan’ny sandan’ny vola ariary sy ny hetsiky ny vidin’entana eo amin’ny tsena iraisampirenena.

Io politika mampitotongan-dava ny sandam-bola Malagasy io na ilay nambara hoe “fampitsingevahevana ny vola na “flottement” dia rariny sy hitsiny raha andraisana fepetra haingana aloha, indrindra fa taorian’ny fandalovantsika an’iny vanim-potoanan’ny fihibohana iny, satria tsy afa-mamokatra firy isika mba haondrana dia mba mampidi-bolabe fa tsy maintsy manafatra nefa ny volantsika tsy mitsaha-mitotongana. Soa izany fa nisy iny coronavirus iny mba hahafahantsika mandray fepetra haingana amin’io “flottement” io, hamonjena vahoaka, raha kinga sy manana fahasahiana politika ny mpitondra e!

Mila mijery izay fomba hanalefahana izay vaikan’ny fahakelezan’ny fahafaha-mividin’ny vahoaka izay izany ny fanjakana.

Etsy ankilany, vahaolana iray azo jerena koa, ary tafiditra ao anatin’ny teti-panarenam-pirenena, ny fanampian’ny fanjakana ara-bola ny orin’asa. Fampindramam-bola hamoraina io fa tsy fanampiana fanomezana. Mba hahafahan’ny orin’asa mampitombo ny ambaindain’ny sehatra iasany izay hampidina ny masonkarenany koa ka hisy akony tsara any amin’ny mpanjifa. Eo ny fiarovana ireny orin’asa eto an-toerana ireny eo anoloan’ny fibosesisiky ny entana avy any ivelany, na manara-penitra na tsy manara-penitra, miampy ny fihanahan’ny kolikoly isan-karazany amin’ny fampidirana entana eto ka mampidina be ny masonkarenan’izy ireny. Jereo haingana koa ny hanamaivanana ny tataon-kaba amin’ny akora fototra afarana avy any ivelany, ny zezika sy masom-boly ary ny fitaovam-pamokarana ho an’ny tantsaha.

Manana fahafahana mampanjary an’izany ny fitondram-panjakana raha manana politikam-pîrenena momba ny fanjifana.

Ekena fa efa nifamory tamin’ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny varotra ny minisitry ny indostria sy ny varotra, Lantosoa Rakotomalala, tany Taolagnaro tamin’ity herinandro ity, ary ity fiakatry ny vidin’entana ity mihitsy no nifotoran’ny fivoriana, saingy tsy ampy ny fifanentanana fotsiny sy ny fampahatsiarovan-tena ny mpandraharaha fa mitaky fandraisan’ny fanjakana fepetra matotra io, ary tsy eo anivon’ny ministeran’ny varotra fotsiny izany fa mitaky politikam-pirenena hentitra arafitry ny fitondram-panjakana e!

Tokony misokatra amin’izany ny ady hevitra fa ny hevitra tera-bary e!

Ralay

 

Lire aussi