Publié le 05 décembre 2022
Natao tamin’ny fomba manetriketrika ny lanonana fametrahana ny vato fototra amin’ny fanombohan’ny asa fanamboarana ilay lalana migodana (autoroute) izay natao hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Tetikasa goavana eto amin’ny firenena tokoa io raha tena tanteraka, saingy tamin’ny ankapobeany dia tsy nanaitra ny mponin’ Antananarivo firy izany noho ny fahasorenana manoloana ny zava-misy iainana isan’andro.
Tsy iadian-kevitra angamba fa raha misy ny zavatra tena mahasorena sy mampimenomenona ny vahoaka indrindra, ankehitriny, dia ny delestazy lava reny manerana an’Antananarivo iray manontolo. Efa tonga amin’ny fara-tampony ny fahatezeram-bahoaka amin’izao fotoana noho ny fahatapahan-jiro maharitra ora 5 ka hatramin’ny ora 10 isan’andro. Ny eto Andrenivohitra sy ny kaominina manodidina aza izany resahana izany fa any amin’ny toerana 20 km miala ny renivohitra dia adin’ny roa na telo isan’andro ihany no mandeha ny jiro.
Mihamafy ny fahatezeran’ny vahoaka satria raha teny Itaosy ihany no nahitàna fitokonana sy fandorana kodiarana tany aloha, dia efa lasa mihitatra amin’ny toeran-kafa. Ny zoma lasa teo ohatra, nisy andian’olona nandoro kodiarana teny afovoan-dalana teny Ankorondrano sy Ampefiloha noho ny fahasorenana amin’ny delesatazy. Teny Tanjombato sy Andoharanofotsy indray no nisehoan’izany ny sabotsy hariva, ary efa saika nitokona nanakan-dalana ihany koa ny mponina teny Soavimasoandro raha tsy nosakanan’ny mpitandro filaminana.
Izany fikomiana miseho etsy sy eroa eto Andrenivohitra izany no porofo mitohaka amin’ny tenda fa efa an-tenda kely ny ranom-bary ka tsy zakan’ny vahoaka intsony ny zava-misy, araka ilay fitenenana hoe « misy fetrany daholo ny zava-drehetra ». Tsara hatrany ny manamarika fa mamotika ny fihariana sy ny fidiram-bolan’ny olona maro ny delestazy ka tsy mahagaga raha mitroatra izy ireo ny farany. Raha izao mitohy dia azo antoka fa fipoahana ara-tsôsialy mahery vaika no hitranga eto Antananarivo ka ho sahirana ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izay.
Ramanana