Publié le 19 novembre 2022
Iarahana mahita fa voa mafy ny mponina any Ikongo amin’ny hanoanana. Tsy hanoanana tsotra fa efa kere mihitsy. Olona mitafy hoditra sy saozanina no hita manerana ny tanana maro any amin’ity distrika ity.
Hatramin’izao anefa dia azo lazaina fa miady irery ny mponina mipetraka amin’ity distrika ity. Zara raha manome fanampiana any ny fanjakana. Vary 36 taonina no voalaza hatramin’izay roa volana nahamafy ny kere izay no tonga tany nozaraina. Tsy ampy ny vahoaka izany ka lasa olana indray ny fizarana azy. Zara raha nahazo roa kapoaka isan’olona. Ny minisitrin’ny mponina Princia Soafilira moa dia tsy miraharaha izany. Na dia fihetsika kely tsy ataony amin’ity faritra ity mahakasika ny kere izay mahazo ireto olona ireto. Tsy iasany saina mihitsy na kely aza. Tsy tenenina intsony ny olona maty any an-toerana ankehitriny. Tsy sasatra ny manao fanambarana ny depiote Razafitsiandraofana Brunelle , nefa dia toa ny antso an’efitra izany fa tsy raharahan’ny fanjakana.
Avelan’ny fanjakana ho faty ny mponina any Ikongo. Tsy misy fikarakarana, tsy manana mpiahy intsony ary tsy raharahan’ny fanjakana fa toa ny olona tsy Malagasy.
Tsy ny mponina any Ikongo irery no azon’ny kere amin’ny faritra atsimo atsinanana iny fa distrika maro no noana amin’izao fotoana izao. Mahatsiaro ny mponina amin’ireo faritra ireo fa tsy raharahan’ny fanjakana.
Jesy Rabelaolao