La Gazette de la grande ile

Mpitondra nangalatra : Arovan’ireo depiote tsy maty manota

Publié le 19 novembre 2022

Nisasaka omaly 18 novambra ny fe-potoanan’ny fivoriana eo anivon’ny parlemanta. Iray volana sisa dia hikatona ny fivoriana ara-potoana satria 60 andro no faharetan’izany, araka ny voalazan’ny lalampanorenana. Tamin’ny ankapobeany dia volavolana sy tolo-dalàna tsy mahakasika mivantana ny fiainam-bahoaka no nodinihana sy nankatoavin’ireo solombavambahoaka, tao anatin’ny iray volana voalohan’ny fivoriana. Marihana fa tafiditra tao anatin’ny lahadinika tokony nankatoavin’ireo depiote ny fandinihana sy fanomezana alalàna ny fitsarana avo (Haute cour de justice) handinika ireo atontan-taratasy efa eo am-pelatanan’izy ireo, dia ny fitoriana ireo mpitondra fanjakana nangalatra sy nanao kolikoly teto amin’ny firenena. Tsy tanteraka mihintsy anefa izany satria azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny isan’ireo depiote tonga manatrika fivoriana rehefa handinika ny momba izany ka tsy tratra ny fetr’isa takiana.

Tsiahivina ihany fa efa nandritra ny fivoriana ara-potoana tamin’ny taon-dasa tahaka izao no tokony nankatoa ny fanenjehana ireo mpitondra nangalatra tany aloha ireo depiote, saingy tsy tanteraka mihintsy noho ny tsy fisian’ny finiavana avy amin’ireto olom-boafidy ireto hiady amin’ny tsy maty manota eto amin’ny firenena. Tsy tokony hahagaga ihany izany trangan-javatra izany satria sarotra ny inoana fa ireo depiote mpanao afera maloto sy mpanampatra fahefana eny anivon’ny distrika misy azy no handeha hanome alàlana ny fitsarana avo hanenjika ireo mpitondra mpangalatra teto amin’ny firenena. Na ireo solombavambahoaka aza mantsy dia maro no voasaringotra amina raharaha maloto, ohatra amin’izany ny depiote IRD Lanto Rakotomanga voafidy teny amin’ny boriboritany faha-2 sy ny depioten’i Fenoarivo Atsinanana, Mohamad Ahmad izay voarohirohy amin’ny resaka trafikana volamena. Midika izany fa ireo depiote tsy maty manota mihintsy no miaro ireo mpitondra fanjakana tany aloha manana atontan-taratasy eo anivon’ny fitsarana avo satria misakana ny fanenjehana sy fanaovana famotorana azy ireo.

F. Tsihiavonana

Lire aussi