Publié le 19 novembre 2022
Tao anatin’ny 30 taona dia tsy nisy fiakarany ny hetra trano teto Antananarivo hoy ny avy ao amin’ny kaominina izay tarihin’ingahy Naina Andriatsitohaina Varira izay ben’ny tanàna eto Analamanga. Tsy hiditra anmin’ny antony nampisondrotra izany isika fa ny fiatraikany sy ny akony eto amin’ity firenena ity no ho resahina.
Niakatra hatrany amin’ny 1000% ny hetra tao anatin’izay 30 taona izay. Ohatra vitsy izay mampimenomenona ny olona no tenenina. Tsy misy izay tsy mitaraina na ny ambony na ireo farany ambany indrindra. Trano hazo nandoavana 25 000fmg isan-taona dia lasa 1 000 000 fmg amin’izao fotoana izao. Ny olona mipetraka amin’io trano io aza zara raha mihinam-bary indray mandeha isan’andro. Vokatr’izany dia tsy maintsy ho betsaka ny olona hatory eny an-dalana. Rehefa matory eny an-dalana nefa dia andehanan’ny tsaho hoe ho lanin’ny voay. Ireo olona ireo koa dia mazava ho azy fa tsy hifidy ny fanjakana ankehitriny izao intsony na ahoana na ahoana no fanambatambazana azy ireo.
Ny sokajy faharoa indray izay manana trano biriky ka nandoa hetra 75 000fmg teo aloha, dia tafakatra hatrany amin’ny 2 000 000 fmg izany ankehitriny. Sokajin’ny olona salasalany eo amin’ny fiainana izy ireny. Dia maro no milaza ankehitriny fa avelao ho tonga izay ho tonga fa izahay tsy handoa. Tena efa fiokona anie izany ka voa maika hiteraka krizy indray.
Ny sokajy fahatelo dia ireo izay manana trano lehibe sady mafy no mijoalajoala ireny. 10 000 000FMG raha kely no vola hetran’izy ireny. Tsy dia miteny ireo olona ireo nefa tsy faly amin’ny fanjakana ankehitriny noho izao fanondrotana tsy ampiheverana ataon’ny kaominina Antananarivo sy ny ben’ny Tanana izao.
Ny fiainanan’ny vahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy no voatohitohina amin’ny tsy rariny. Mitarika ny vahoaka hankahala ny fanjakana izao toe-javatra izao. Mihena dia mihena ny fitiavanan’ny olona ny fitondrana ankehitriny. Soa ihany fa efa nilaozan’ny Malagasy ny fihetsiketsehana an-dalambe ho fanehoan-kevitra. Tsy maintsy hisy fiatraikany amin’ny fifidianana izay hatao amin’ny 2023 io ho an’ny mpitondra ankehitriny.
Randriambe Jesy Rabelaolao