Publié le 19 novembre 2022
Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra izao isika eto Madagasikara. Mety ho mafimafy kokoa noho ny tamin’ny herintaona ny fiatrehana izany ho an’ny vahoaka satria azo antoka fa hiakatra daholo ny vidin’ny sakafo eny an-tsena. Ny antony, tsy mitsahatra miakatra ny vidin’ny zezika sy ny provandy ampiasain’ireo tantsaha sy ny mpiompy izay mahatonga ny vidin’ny sakafo hisondrotra. Tsara marina fa mahatratra hatrany amin’ny 200 % ny taham-piakaran’ny vidin’ny zezika simika eto amintsika tao anatin’ny roa taona teo ho eo, izany hoe hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Covid-19. Eo anatrehan’izany anefa dia marefo tanteraka ny ministera tompon’andraikitra, tsy manam-bahaolana hifehezana an’io fisondrotry ny vidin’ny provandy sy ny zezika io.
Ramanana