Publié le 19 novembre 2022
Ao anatin’ny fandinihana ny rijan-teny mirakitra ny tolo-dalàna momba ny ho teti-bolam-panjakana amin’ny taona 2023 izao ny Parlemanta malagasy. Isa-taona dia ny vanim-potoana toa izao no andinihan’ny Parlemantera azy io.
Ny lalàna momba ny teti-bolam-panjakana moa dia mifototra amin’ny vinavinan’ny vola tokony hivoaka eo amin’ny fitantanam-panjakana sy ny vinavinan’ny vola tokony hiditra.
Ny foto-kevi-dehibe nibaiko ny fandrafetana ny lalàna momba ny teti-bolam-panjakana dia ny hoe « misy fandaniam-bola ataon’ny fanjakana ka tsy maintsy mampidi-bola izany ny fanjakana hiantohana izany ». Raha vao mifamadika io dia diso ny raharaha. Ny fandaniam-bola heverin’ny fanjakana hatao amin’ny taona ho avy izany no mibaiko azy hampiditra vola ao amin’ny kitapom-panjakana, fa tsy hoe « kely ny vola ka tsy afaka manao afa-tsy izao sy izatsy isika ».
Ny loharanom-bola namatsy ny kitapom-panjakana tany aloha tany dia ny hetra alaina amin’ny vahoaka. Misy karazany io. Nanomboka tamin’ny hetra isan-dahy, ny hetran-trano, ny hetra mitatao amin’ny fananana hafa… Nivoatra izany taty aoriana ka nitataovan-ketra ny asa atao, ny varotra foto-pivelomana, sy ny maro e !
Ny mahazatra ny mpitondra fanjakana taty aoriana dia ny fitarafana ihany ny zava-bita nandritra ny taona vita. Ohatra : Raha handrafitra ny tolo-dalàna momba ny teti-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2023 ny teknisiana momba izany dia ny teti-bolam-panjakana tamin’ny 2021 no ifotorany sy anaovany fanadihadiana. Izay no mahatonga ny fahazaran’ny teknisiana mandrafitra ny teti-bolam-panjakana amin’ny vola mety ho tafiditra.
Etsy ankilany, ny mpitondra fanjakana nitantana teto dia tsy nisy nanana politikam-pirenena momba ny hetra ka tsy nanjary avokoa ny tontolon’ny fitantanam-bolam-panjakana. Ny teti-bolam-panjakana nahazo fankatoavana teo anivon’ny Parlemanta mantsy dia midika ho fanomezan-dalana ny mpitondra mpanatanteraka hampiditra vola ao amin’ny kitapom-panjakana. Izany hoe kaha hetra amin’ny olom-pirenena. Mira-zotra amin’izay, ny fananan’ny mpitondra mpanatanteraka fahefana hamoaka vola ao amin’ny kitapom-panjakana.
Tsy manana politikam-pirenena momba ny hetra ny mpitondra ka lasa manaotao foana. Eo aloha ny famoronana hetra vaovao. Eo koa ny fampiakarana ny tahan’ny hetra. Ny zava-misy anefa dia ny mpandoa ihany no voavolo. Hatramin’ny fivalanan-drano izao no andoavana hetra. Ny taratasy rehetra alaina amin’ny fanjakana, manomboka any amin’ny fokontany, dia andoavana haba na hetra, ankoatry ny fampiantohana taratasy ny olom-pirenena. Ny zavatra rehetra atao dia itataovan-kaba na hetra avokoa, ka tsy mahagaga raha manaka-danitra ny fisondrotry ny vidim-piainana.
Etsy andanin’izany rehetra izany, ny loharanom-bola goavana andrandrain’ny fanjakana ankoatry ny hetra (amin’ny ankapobeny sy ny haban-tseranana) dia ny fanjanaham-bola amin’ny Banky Mondialy sy ny FMI sy ny hafa… Dia ireo koa mibaiko fa tsy mitazam-potsiny, ka isan’ny akon’izany ny fampakarana hetra sy famoronana hetra eto anatiny. Dia tsy misy fiovana fa mihamavesatra hatrany amin’ny vahoaka e !
Ny harem-pirenena anefa, etsy ankilan’izany rehetra izany, araraotin’ny sasany, itsikombakomban’ny sasany, miondrana an-tsokosoko, izay azo antoka fa ahafahana miantoka ny filan’ny fanjakana mandavan-taona sy ifotoran’ny famitana ireo asa rehetra takian’ny filan’ny vahoaka.
Tsorina ny resaka fa tsy mahay mitsinjo lavitra ny mpitondra tsy manana finiavana handrafitra politikam-pirenena momba ny hetra, ka raha isika malagasy manokana dia marika fotsiny no tokony ho hetra takiana amin’ny vahoaka fa ampy hiantohana ny zavatra rehetra ny sandan’ny harem-pirenena eto ka mahaiza misafidy ny vahaolana mahomby amin’izany.
Tohanana