Publié le 19 novembre 2022
Naresaka indray tato ho ato ny tsy fahatongavan’ireo solombava mamonjy sy mandray anjara amin’ny fivoriana atao eny amuin’ny lapan’ny Antenimierampirenena eny TSimbazaza (na Cci Ivato koa). Fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa fanao isa-taona ny ankehitriny. Tena vantanina koa aloha ny resaka fa mampiteny ny moana mihitsy ity tsy fahatongavan’ny solombava mamonjy fivoriana ity e !
Ny fanamarihana voalohany aloha dia hoe misy fandaharam-potoam-pivoriana hatrany kosa ve aloha eny Tsimbazaza satria re koa matetika fa na ny laha-dinika hivoriana aza tsy misy eny.
Na izany na tsy izany, rehefa misy lahadinika hivoriana dia adidin’ny solombava ny mamonjy sy mandray anjara an’izany. Izay no nifidianan’ny vahoaka azy, ary mazava ny lalampanorenana fa « ny asa maha-solombavambahoaka dia tsy azo ampirafesina amin’ny asa hafa ankoatry ny asa fampianarana ». Angaha mpampianatra ny maro an’isa amin’ireo solommbava ?
Teo anoloan’izany rehetra izany dia nanambara ny filohan’ny Antenimierampirenena, Rtoa Razanamahasoa Christine, fa « tsy maintsy tapahina ny karaman’ireo solombava tsy tonga mivory, indrindra fa tsy misy antony mazava ».
Eo ilay fampiesonana satria tsy voalohany ny mpitantana ity andrimpanjakana ity no namoaka izany ary tsy ny ankehitriny ihany fa tsy mbola nahare ny vahoaka hoe « ny solombava Ranona dia notapahina ny karamany satria tsy tonga namonjy fivoriana ».
Ianareo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena aza no mipararetra toa rano an-dravina raha vao manambana hanao hetsika ny solombava ho fanoherana anareo. Ianareo ao amin’ny Birao maharitra no voatery manambitamby an-dry zareo, indrindra fa ireo be vava, raha misy vola ilain-dreo, na inona na inona tsy mety ataon’izy ireo.
Inona ihany koa no amaritana ilay hoe « antony mazava » ? Hitondra ny antony avokoa ireo, na natory tany an-tranony aza no tsy nahatongavany… dia mahazo fankatoavana ka tsy misy karama tapaka izany. Fepetra hafa jerena ary manana fahasahiana mifampiresaka amin’ny vahoaka koa fa ny vahoaka ange no nitsara azy ireny e !
Tsimba