La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 24 novembre 2022

Mpitarika ny mpianatry ny Oniversite

Hanao revolisiona hitondra korontana

Efa manara-maso akaiky ny hetsika ataon’ ireo lohandohan’ny mpitarika ny mpianatra amin’ny Oniversite manerana an’i Madagasikara ny mpitandro ny filaminana. Efa tonga eto Antananarivo ireo lohandohan’ny mpianatra, ary nanatanteraka ny fivoriana teny Vontovorona omaly 23 novambra 2022. Nisy ireo fitakiana tsy nahitam-baliny hatramin’izay. Koa hitondra revolisiona ny Oniversite rehetra vokatr’izany. Ny tanjona amin’izany dia ny hametraka « Ultimatum » mandritra ny dimy andro ny Minisitry ny Fampianarana Ambony, hoy izy ireo. Voalaza fa misy ny mpilalao politika ao ambadika izay nampihetsika azy ireo araka izany. Tena revolisiona mari-pototra sa ho sadasada manan-tsoratra ihany ny fampihetsehana ny mpianatra?

Nangonin’i Soarak

Transaparency International

Voaantso teny amin’ny polisy ekonomika i Ketakandriana Rafitoson

Omaly tamin’ny 2 ora atoandro no voaantso teny amin’ny polisy ekonomika eny Anosy ny sekretera mpanatanteraky ny Transparency International Initiative eto Madagasikara, Ketakandriana Rafitoson. Ity farany izay fantatra fa notorian’ny GEL na ny Vondron’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny letchis eto amintsika. Tsiahivina fa tamin’ny herinandro lasa teo no nanao karazana ampamoaka mahakasika ny kolikoly misy eo amin’izay sehatry ny letchis izay i Ketakandriana Rafitison, ampamoaka izay tsy misy fahamarinany akory raha ny filazan’ny GEL ka izay no antony nametrahan’izy ireo fitoriana teny amin’ny polisy ekonomika.

Ramanana

Lire aussi