Publié le 24 novembre 2022
Iharan’ny antsojay ataon’ny tale jeneralin’ny Benessy Harison Sébastien mandrak’ankehitriny ny mpiasan’ny OMSI (Organisation Médico-Sociale Interprofessionnelle), izay sehatra miahy ny sosialin’ny mpiasa tsy miankina ao Toamasina. Voatonotonona miaraka amin’io Tale Jeneraly io ny talen’ny fitantanana ara-bola (DAF) ary ny talen’ny fitantanana ny mpiasa (DRH) noho ny tsy fahaiza-mitantana amin’ny fampifangaroana ny asan’ny Omsi sy ny resa-pianakaviana , ny famotorana azy ireo ao amin’ny PAC. Izy koa dia loholona HVM teo aloha. Hitohy mialohan’ny faran’ny taona 2022 izao ny famotorana azy ireo. Efa nisy fampiantsoana teny amin’ny PAC (Pôle Anti - Corruption) ny volana Oktobra lasa teo.
Ny nanenjehana ny dokotera Benessy Harison Sébastien dia momba ny raharaha fitantanana tsy mazava eo anivon’ity orinasa ity. Notsikafonin’ireo mpiasa amin’izany ny fampiasana ny fananan’ny orinasa Omsi ka nanaovany antoka findramam-bola teny anivon’ny Otiv. Ny vola azo dia nividianana fiara ho an-janany, hoy ny mpiasa ao amin’ny Omsi. Tsy orinasam-pianakaviana ny Omsi, hoy hatrany izy ireo fa orinasa miahy ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa tsy miankina, manana ny sata fototra mifehy azy. Tao koa ny fampidirana mpiasa tsy manaraka lalàna ka nihainoana azy sy ny mpiara-miasa akaiky aminy teny anivon’ny Brigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina, ary ny PAC mihitsy no manohy ny fanenjehana ity tale Jeneraly ity, fa tsy ireo mpiasa velively, araka ny fitarainana avy amin’ireo mpiasa sy mpikambana Omsi.
Resabe hatramin’izao koa, ny antony mbola ahazahoany fanalavana ny fe-potoana iasany, izay efa tokony nandehanany nisotro ronono. Vao mainka nihitatra ny raharaha amin’izao fotoana izao. Mety hiteraka lonilony ka hitohy ny an-tsonjay ataony aminay, hoy ireo mpiasa sy mpikambana ao amin’ny Omsi raha mbola eo izy. Arahin’ny mpiasan’ny Omsi sy ny mpikambana akaiky ny fivoarana, izay ho tohin’ny famotorana ny tale jeneralin’ny Omsi , ny DAF ary ny DRH ao amin’ny PAC ao Toamasina.
Aina Soa