La Gazette de la grande ile

Tetibolam-panjakana : Tsy raharahan’ny depiote akory

Publié le 24 novembre 2022

Ny antsasakin’ny boky mirakitra ny tetibolam-panjakana 2023 no mbola tsy nalain’ireo depiote ao Tsimbazaza izay manao fivoriana aram-potoana amin’izao fotoana izao. Ny talata faha 22 novambra 2022 teo no nitondra fanazavana momba ity tetibolam-panjakana ity ny ministeran’ny vola sy ny toe-karena. Raha ny tetiandro araka ny lalàna dia ny faha 29 oktobra 2022 no tokony ho tonga teny amin’ny antenimierampirenena teny Tsimbazaza ny boky rehetra mahakasika ny tetibolam-panjakana ity. Ny ampahan’ny boky ihany no vonona tamin’io fotoana io ka tsy mbola azo nozaraina. Tamin’ny faran’ny herinandro teo vao feno izany boky izany.

Omaly faha 23 novambra dia ny antsasakin’ny boky mirakitra ny tetibolam-panjakana ity ihany no mbola nalain’ireo depiote ireo. Tsy raharahany izay voalaza ao fa efa miandry ny fananganan-tanana fotsiny amin’ny fandaniana azy ireo depiote ireo.Nisy moa ny fivoriana nataon’ny mpikambana ao amin’ny IRD (isika rehetra miaraka amin’i Rajoelina) teny Analamanga Parc ny zoma faha 18 novambra teo ary koa tao amin’ny Arena (foiben’ny antoko TGV) ny alatsinainy teo ka terena tsy maintsy mifidy io tetibolam-panjakana io ireo depiote IRD ireo.

Raha nanontaniana ny mpizara ireto boky ireto ao Tsimbazaza ao dia mba gaga koa aza izy ireo nohon’ny tsy angalan’ireto depiote ireto ny boky. Miteraka resabe izy ity. Misy ny milaza fa be dia be ny depiote no tsy manampahaizana afaka hamaky ireo boky ireo. Misy mihitsy aza no tsy mahay mamaky teny frantsay nefa ny boky dia natonta amin’izany. Manaraka izany dia hita fa kamo sy tsy miraharaha fotsiny ity tetibolam-panjakana ity ireo depiote ireo.

Ny tsy firaharahan’ny depiote izany tetibolam-panjakana izany dia midika fa ny vahoaka mihitsy no tsinitsiniavina. Ny firenena no tiana ho potika satria miankina tanteraka amin’izany ny fampandehanana ny raharaha eto amin’ity Nosy ity sy ny asa fampadrosoana rehetra. Sady tsy novakiana, no tsy noresahina ary tsy niezaka mba nahalala izay ao anatiny akory aza ireo olom-boafidy ireo. Dia izany no mpanao lalàna Malagasy ka inona no fandrosoana vanona amin’izany. Tsy misy zavatra ataon’izy ireo raha tsy ny manao bizina maloto eto amin’ity firenena ity. Toa izany koa ny fanamparam-pahefana isan-karazany ataony amin’ny mpiasam-panjakana any amin’ny faritany. Tsy manana eritreritra raha tsy ny hiady ny tombotsoany manokana ka mampiasa ny lalàna hahazoana tambi-karama mihoampampana. Tsy ny tetibolam-panjakana ihany no tsy raharahan’ireto depiote ireto fa ny andraikiny sy ny asany mifandray amin’ny maha depiote azy.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi