La Gazette de la grande ile

Fako eto Tanà : Antero any an-tranon’i Naina Varira amin’izay

Publié le 24 novembre 2022

Tamin’ingany ben’ny tananan’Antananarivo Naina Varira nilatsaka hofidina tamin’ny taona 2019, dia nanambara izy tamin’izany fotoana izany fa “atero any an-tokotaniko ny fako raha toa ka tsy voala ireo rehefa mitondra aho”. Dimy taona latsaka kely izao no nitondran’ingahy Naina Varira ny fitatanan’ny tananan’Antananarivo . Tsy vitany mihitsy ny fanalana fako teto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity. Maimbo foana ny tanana vokatr’izany, feno olotra ny lalana nohon’ny loto, ny lalotra tsy tenenina intsony fa tafiditra hatrany an-tokatrano ny olona manodidina. Miteraka valanaretina koa ity fako ity ka mihombo izay tsy izy ny olona sepotra nohon’ny fofona maimbo sy maloto. Tsy tenenina intsony ny marary kibo. Ny ranon’I Mandroseza dia hodidin’ny toerana fanariana fako. Tay sy pipy no mifangaro amin’ny rano sotroin’Antananarivo.

Ny tantara tsy mba fanadino ka tonga ny fotoana izay tokony hanatanterahana ny vava izay nataony. Mivangongo toa ny tendrombohitra ny fako manerana ny tanànan’Antananarivo ankehitriny. Tsy vitan’i Naina Varira ben’ny Tanana ny naka izany ka araka ny voalazany dia tokony ho taomina any an-tokotaniny amin’izay ireo fako ireo araka ny vava nampanantenainy.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi