Publié le 24 novembre 2022
Lemaka manodidina an’Antananarivo izay nohajariana faha-Andrianjaka i Betsimitatatra mba hamokaram-bary. Ny tanjona dia ny hisorohana ny mosary, ary izay indrindra no nahatonga an’Andrianampoinimerina nilaza fa « ny mosary no fahavaloko ». Manomboka amin’iny lemaka eny Andohatapenaka iny i Betsimitatatra ary mipaka hatrany Laniera, izany hoe iny Sabotsy Namehana sy ny manodidina iny.
Nahavoka-bary tokoa i Betsimitatatra fa taty aoriana no nisy olana satria tsy voakojakoja ary tsy voahaja ny fepetra momba ny lemaka, teo amin’ny fanotorana tetsy sy teroa ka zary dobo rano ny ampahany sasany tamin’ny vary mbola teny an-tsaha, tamin’ny fotoana sasany.
Amin’izao fotoana dia mihorohoro ny mponina eny Betsimitatatra, indrindra fa ny eny Lanieera fa misy velaran-tany manodidina ny 400 Ha hototofana eny mba hananganana fotodrafitrasa ara-barotra goavana (espace commerciale).
Ny olana voalohany haterak’izay aloha dia hafoy ny vary miakatra isan-taona eny amin’io lemaka io raha izay, sanatriavin’ny vava, no mitranga. Ny faharioa dia hihombo ny fahavoazan’Antananarivo satria hitombo ny faritra hisakana ny fikorianan’ny rano tsy hivarina any andrenirano, izay hiteraka tondra-drano ho an’Antananarivo Renivohitra, indrindra fa tsy ho voahaja ny fepetra momba izany.
Ho potika izany ny ampahan’Antananarivo satria ho fefiky ny rano.
Manitikitika ny saina ny manam-pahefana nanome alalana an’izay fanotorana an’i Laniera izay hoe zovy ? Tena fanetriben’ny tany ka tokony kapaina.
Midadasika ny tampon-tanety eto Analamanga ka nahoana raha eny no hajariana ho amin’izany tetik’asa izany ? Aoka tsy hopotehina ny tanim-bary fa io no hiatrehina ny mosary, ary na ny rivotra iainana eto Antananarivo aza tsy hisy intsony raha tapitra hototorana ny tanimbary sy lembalemba eto.
Ny re dia vahiny mpampiasa vola no hanangana izany fotodrafitrasa ara-barotra eny izany ka misarika ny fisainan’ny mpitondra fanjakana hatrany an-tampony ny vahoaka mba tsy hiditra amin’io resaka maloto hamono vahoaka sy hamotika an’Antananarivo io. Manahy ny vahoakan’i Laniera fa kolikoly avo lenta indray no tambin’ny hanotorana an’io tanimbary midadasika io ka tokony hatomboka sahady ny fanadihadiana.
Tsimba